PROPAGANDY ALOHAN’NY FOTOANA ?

Dimy taona nitondrana sy nanaovana letrezana,
Vao mba miomana hanontany ny hetahetanay vahoaka?
Dia indreo fa ampiasaina ny eo ambany fifehezana,
Mba hitetitety faritra f’efa tsy ho tafavoaka?

Angaha hanao propagandy no niantsoana an’izy ireny?
(Tsy izany velively sao dia diso ny asa marika!)
Fa ny mpiasam-panjakana dia voarara tsy hiteny
Na hanao izay hampandany ny mpitondra na mpitarika!

Olom-panjakana ireny ka dia tsy baikoin’antoko,
Sady tsy afaka hiandany na amin’izatsy na ‘zaroa.
Tsy azon’iza hovidiana sady tsy azo hosoran-doko.
« Tsy miandany » raha fehezina amin’ny teny anankiroa!

Efa ho rendrika ny sambo, izay vao mody mba antsoina
Sy ampiakarina ao anatiny ireo lazoin’ny hanoanana?
Efa tsy tanaty lisitra, efa tena nohadinoina
Kanjo tamin’ny ora farany dia nanaovana hofatanana?

…Tara loatra anie ‘nareo f’efa « any ambadik’i Sahondra »
Ry miketrika ilay hoe « fotoam-piasana fanindroany »!

Aok’izay ny fomba ratsy, ‘ndeha ialao ny lohan’ampondra
Fa ny gasy tsy hiverina aminao efa naloany!

TSIMIMALO (01-08-23)