Ambohimanambola Avaradrano – Ny kaominina no hitantana vonjy maika ny rano fisotro madio

Aly

Ny kaominina no hitantana vonjy maika ny resaka rano fisotro madio, ao amin’ny kaominina Ambohimanambola distrikan’Anatananarivo Avaradrano. Ny anton’izany, tapitra ny 31 Jolay 2023 teo ny fifanarahana teo amin’ny mpitantana ny Rano: “S.E A”’ sy ny ny Kaominina Ambohimanambola. Ny SEA, izay tompon’ny fitaovana famatsian-drano fisotro madio sy fanadiovana ho an’ny daholo be araky ny lalàna laharana 98-029 andininy 41.

Vita afak’omaly ny famindram-pitantanana rehetra teo amin’ny tomponandraikitra tsirairay avy. Ny kaominina no handray ny fitantanana ny fampisitrahana rano ao anatin’ny fotoana voafetra, hoentina hanatanterahana ny “APPEL D’OFFRE” na fiantsoana tolo-bidy, handraisana mpitantana vaovao. Tanjona araky ny nambaran-dRamatoa ben’ny tanàna Soanantenaina Rahagarison dia ny hanomezana fahafahampo ireo mpanjifa rehetra sy izay vaovao.

Ao anatin’ny fanaovana famindram-pitantanana tanteraka ary fandraisana ireo asa mifanandrify amin’izany ny servisy Rano-Fanadiovana-Fidiovana sy ireo Teknisianina.

Araky ny lalàna 98-029 Sampana II ny amin’ny fitrandrahana ny petra-pitaovana famatsian-drano fisotro madio, sy ny fahadiovana tambabe ny rano nampiasaina avy any an-tokantrano ho an’ny daholobe andininy 45 sy andininy 46, dia ho atolotra mpitantana vaovao afaka manome tolotra mahafapo ny mponina sy mamaly ireo mason-tsivana rehetra apetraky ny kaominina Ambohimanambola aorian’ny valin’ny “APPEL D’OFFRE”. Efa miverina ny rano ho an’ny “Système Ambohimanambola” mitsinjara rano amin’Ampahimanga – Tanjonandriana – Gara – Ambohibato.

Raha mila fanazavana fanampiny mikasika ny fandaminana eto anivon’ny Kaominina Ambohimanambola hoy ny ben’ny tanàna dia antsoy ny laharana 0349136182.