Laza adina bacc tafavoaka mialoha – Tsy azo eritreretina ny fuite de sujet tany amin’ny conclave, tsy meloka ireo 13 nadoboka

Ny Valosoa

Mitantara ny tena zava-nisy ireo nanao ny laza adina bakalorea farany teo, ka nihiboka na nanao conclave nandritra ny andro maro nanao izany laza adina izany. Tsy meloka ireo 13 mianadahy nadoboka hoy izy ireo:

’’Toy izao ny fizotran’ny zava-nisy niainanay tany amin’ny conclave: ny andro nidiranay voalohany tao amin’ny Villa Soafaniry Ambohibao Antananarivo dia nisy ny fisavana ny entana rehetra ary nojeren’ny zandary tsirairay hatramin’ny silipo aza, tsy misy zavatra hafa tafiditra tao na ny bitika indrindra aza. Entina ilazana fa tena hentitra ary tsy nisangy zareo, indrindra tao aorian’ny fuite de sujet tamin’ny taona 2019 izay tao amin’ny conclave no nipoirany. Rehefa nandeha ny asa dia nandrafitra ny sujet no asan’ny concepteurs, rehefa vita manuscrite iny sujet iny dia anjaran’ireo ao amin’ny informatique no manao saisie azy. Rehefa vita saisie ka misy diso dia miverina amin’ny concepteur ilay izy dia ahitsy. Vita saisie daholo ny sujet rehetra par matière dia miroso amin’ny fanaovana tirage. Mandeha par matière koa ny tirage mandra-pahavitan’ny matière rehetra. Vita ny tirage dia miroso amin’ny fanaovana sous-pli ny rehetra.

Resaka sous-pli dia izao: mizara groupe izahay ary atao par Province ilay izy, ny lehilahy dia manisa ny sujet arakaraka ny isan’ny sujet sy matière izay misoratra eo amin’ny valopy ary mampiditra azy anaty valopy, asiana cachet miisa 4 ilay valopy ka eo amin’ny faritra ambony amin’ny fikatonan’ny valopy ny cachet 2, amin’ny faritra ambany ny 2,vita izay dia asiana scocth manindry ilay cachet eo ambony sy ambany ary amin’ny sisin’ilay valopy, amin’ny faritra rehetra mety hivahan’ny valopy no asiana ilay scocth miisa 3. Rehefa vita izay dia mandalo contrôle voalohany ny paquet valopy, avy eo mandalo contrôle faharoa. Ny vehivavy indray no manao io contrôle faharoa io ary mizara par Province zareo, ny ataon’izy ireo amin’izany dia mi-verifié ilay paquet valopy, jerena par centre d’examen ilay izy, jerena koa ny chiffre sy matière misoratra eo amin’ny valopy, satria ny chiffre misoratra eo no mitondra ny andro hanaovana ny laza adina (ohatra: 1=journée voalohany amin’ny épreuve, dia izay matière misoratra miaraka eo no atao amin’iny andro voalohany iny), jerena amin’ireo contrôle in-2 mifanesy ireo koa sao sanatria misy valopy tsy misy sujet, ka raha izay no mitranga dia tsy maintsy averina eo amin’ny mpanao sous-pli ilay valopy ary soloina, ilay valopy teo aloha tsy maintsy rovitina dia dorana. Nazavaiko tsara ny asan’ny mpanao contrôle satria ny sasany tamin’izy ireo no nadoboka eny Antanimora.

Rehefa vita ny sous-pli sy contrôle dia miditra amin’ny resaka paquettage indray ary saika olon’ny ministère enseignement superieur daholo (PAT) no manao azy, fonosina papier emballage ilay paquet d’enveloppe, fatorana tady, asiana cire eo amin’ny fatotr’ilay tady, atao anaty carton arakaraky ny centre amin’izay ireo paquet valopy emballé ireo, dia mbola asiana ireny scocth lehibe ireny indray ilay carton izay vao fatorana in-2 ary tena mafy ny famatorana ilay carton. Vita izaý dia mandeha ny expedition, tonga any ny mpaka sujet isaky ny Province ary andro samihafa daholo ireo. Marihiko fa manomboka any amin’ny conception sujet, ka hatramin’ny expédition dia misy procès verbal sy engagement tsy maintsy fenoin’ny tsirairay isaky ny mahavita asa anankiray. Ny fisavana ataon’ny zandary koa henjana satria isaky ny miditra na mivoaka ny salle de travail ny rehetra dia tsy maintsy savaina, ary tsy mora ny fisavana olona anankiray (ohatra: sokafana hatramin’ny vava). Ny zandary koa mandray note izay zavatra mitranga rehetra ao, tsy misy miafina amin-dry zareo afa-tsy izay ataonay any amin’ny chambre misy anay tsirairay. Gaga anefa izahay rehefa nitranga iny fuite de sujet iny, satria raha ny zavatra niainana tany dia tsy possible ary tena tsy possible ny hisian’ny fuite tany amin’ny conclave, satria ankoatran’ireo fepetra napetraky ny zandary sy ny ministera ireo, dia tsy nisy koa ny fifandraisana (firesahana na fiarahana fa resaka ny moana sy marenina ), teo amin’ny mpanao conclave sy zandary ary ny mpikarakara sakafo.

Nandray fepetra ny tao amin’ny gendarmerie nampanao fouille ny chambre rehetra sy ny entanay tsirairay avy, vita izay dia nilaza zareo fa RAS ny tao. Nandeha koa ny enquête nataon’ny zandary avy eny Fiadanana, tonga tany zareo saingy tsy nahazo niditra ny faritra mifefy izay tsy azon’iza na iza idirana satria misy zandary miambina eo, fa ivelan’izay saingy ao anatin’ny enceinte ihany zareo no nanao enquête. Ny coordonateur administratif, mpanao contrôle Tanà periphérie satria tao amin’ny centre Talatamaty hono no niavian’ny fuite, mpanao pâquettage sasany no nanaovana enquête, nisy fotoana nitady concepteur zareo atao enquête, saingy tsy nisy satria tao amin’ny salle d’attente niandry appel ny ankamaroanay satria tao anatin’ny déroulement examen ilay fotoana. Nisy concepteur iray no noresahin’ilay lieutenant lehiben’ireo zandary miambina anay dia io olona io no nandeha nanaovana enquête ihany koa.

18 ireo olona natao enquête ary ny vesatra iampangana azy ireo tonga dia firaisana tsikombakomba amin’ny famoahana sujet mialoha ny fotoana sy fanaovana antsirambina ny asa. Nandritra ny enquête nefa dia nasehon’ny enqueteur tamin’ireo natao enquête ireo ny valopy nakàna ireo sujet naparitaka, sadý niaiky daholo zareo fa tsy nitovy tamin’ny valopy izay tao amin’ny conclave ilay izy, ankoatr’izay dia tsy nitovy ihany koa ny fipetraky ny cachet tamin’ilay valopy sy ny valopy nivoaka avy ao amin’ny conclave. Nisy fotoana nivory izahay nangataka fanazavana avy amin’ny lehibe tao amin’ny ministera dia nolazain’izy ireo, fa tsy avy ao aminareo ny niavian’ilay fuite, fa avy eny amin’ny centre Talatamaty ary efa olona maromaro no voasambotra, nisy koa olona avy eny Mahitsy ary nahatratrarana sujet sy vola tao, araky ny filazan-dry zareo ihany, fa aza mitaintaina ianareo ao fa efa mandamina ny rehetra izahay ary efa manao ny ezaka rehetra tsy ahatafiditra anareo fa nanao ny asanareo amin’ny antsakany sy andavany ianareo. Nihevitra daholo izahay fa nilamina ilay izy, kanjo nahazo convocation ireo 18 ireo ho eny Fiadanana ny lundi 31 juillet ary hatolotra ny fampanoavana avy hatrany. Taitra ny rehetra dia tsy nanaiky izahay raha tsy nihaona tamin’ny lehibe avy ao amin’ny ministera, nihaino teo koa ny zandary, nilaza ireo lehibe ireo, fa efa mikarakara ny rehetra izahay, ny olana anefa dia tsy nitovy ny fomba firesaka teo amin’izy ireo. Nanapa-kevitra avy hatrany izahay rehetra fa haka avocat rehefa tafavoaka tao, satria mbola tsy nisy contact amin’ny aty ivelany, fa mbola nihidy tao. Ny vendredi 28 juillet izahay vao tafavoaka tao ary ny sabotsy 29 ireo olona 18 ireo no niresaka tamin’ny avocat izay ny ministera no naka azy hiaro azy ireo. Tonga ny lundi 31 dia nankeny Fiadanana izy ireo ary nanotrona azy ireo teny izahay, noentina teny amin’ny fitsarana ary ny alin’iny ihany dia nalefa MD eny Antanimora ny 13 amin’izy ireo, ny 5 kosa nahazo LP.

Amin’ny 13 amin’ireo dia misy vehivavy ary ny asan’izy ireo dia nanao contrôle valopy ary tao anatin’ny contrôle nataon’izy ireo ny centre Talatamaty niavian’ilay fuite, tsy mahazo manokatra valopy na mikitika izay ao anatiny ny mpanao contrôle, nefa dia lazaina fa niray tsikombakomba namoaka sujet. Raha izany rehetra izany anefa no jerena dia tokony izahay rehetra tany amin’ny conclave no tokony nampidirina any Antanimora satria dia ny nanao sous-pli no tena nikirakira ny valopy sy sujet tao anatiny.

Naka avocat hafa izahay ary nihaona tamin’io avocat io omaly mardi 01 Août, ny fantatra dia amin’ny 18 Août ny audience an’izy 13 mianadahy ireo izay noendrikendrehana tamin’ny zavatra tsy nataony, satria raha ny fahazoana ny fandehany rehetra dia mitady coupable zareo mba anehoana fa miasa ka na olona tsy nanao hadisoana na kely aza dia niniana nampidirina tao anatiny, nefa nolazaina fa misy ireo efa voasambotra. Ary ny vaovao farany vao heno omalý dia ireo chef de centre tao Talatamaty voalaza fa niavian’ilay fuite indray no lasa témoins manilika ary nilaza fa avy tao amin’ny conclave ilay valopy nahatonga ny fuite.

Misy fanamarihana kely, nisy fotoana tao anatin’ny déroulement ny examen dia nifamadika ny enveloppe nisy ny matière tamin’ny journée ny examen, raha tokony valopy misy soratra 1 miaraka amin’ny matière no tokony nosokafana dia valopy 5 miaraka amin’ny matière misoratra eo aminy no nosokafana, zavatra nisy tany Antsirabe io.

Fehin’izay rehetra izay dia sahinay ny miteny fa tsy avy tany amin’ny conclave no niavian’ny fuite ary efa samy mahalala ny nipoirany ny rehetra, mafy ny fisavana sy ny niainana tany, tsy ahafahana mamoaka zavatra hafa toy ny clé USB tany, tsy nitovy mihintsy toy ny tamin’ny 2019, misy ny complicité entre concepteur, mpanao saisie ary ny gendarmerie vao mahatafavoaka sujet ao, satria ny olona na entana miditra ao amin’ny faritra misy anay dia tsy maintsy voasavan’ny zandary ary tena hentitra izy ireo.

Izay no zava-nisy dia takiana ny hamoahana ireo olona 13 tsy manan-tsiny ireo avy hatrany, tohizana ny enquête dia omena sazy faran’izay mafy ny tena namoaka ireny sujet ireny, satria manala baraka ny mpanao conclave ary manimba fiainan’olona sy ny hoavin’ny fampianarana ny zanaka malagasy.’’