Isan-kerintaonan’ny Toby Lehibe Ankaramalaza – Nanome voninahitra ny FLM koa ny filoha Ravalomanana

Helisoa

Tontosa omaly 2 aogositra 2023 ny famaranana ny isantaona faha 82 ny Fifohazana ao amin’ny toby lehibe Ankaramalaza any amin’ny faritra Fitovinany iny. Vory lanona ireo mpino avy amin’ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) manerana an’i Madagasikara, niaraka amin’ireo vahiny maro be tonga nanatrika ny fotoam-pifohazana tany antoerana, na kristiana tsy avy amin’ny FLM koa aza.

Nandritra ny fotoambavaka lehibe dia miisa 435 ireo notokanana ho mpiandry. Ny tenin’ny soratra masina nanompanana ny fotoana dia ny Romana 4:7 “sambatra izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany”. Ny faharetana amin’ny finoana no ahazoana famelan-keloka, araka ny toriteny masina nentin’ny mpanompony. Nahazo hery ireo mpino marobe tonga tany an-toerana, anisan’izany ny filoha Marc Ravalomanana sy ireo mpiara-dia aminy.

Na nandritra izy nitondra ny firenena, na amin’izao fotoana dia saika tsy tapaka manatrika izany isan-taonan’ny Fifohazana Toby Lehibe Ankaramalaza izany hatrany ny filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM). Mpanao politika tazana tonga tany koa ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, ny mpandrindra nasionalin’ny antoko HVM, Rivo Rakotovao. Tsimialonjafy rahateo ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM).