Fidiran’ny mpianatra – Ho sempotry ny fahasahiranana hatrany ny ray aman-dreny

Radafy

Vao nifarana tsy ela ny fotoam-pianarana ary miditra amin’ny fialan-tsasatra lehibe ny mpianatra, izay volana vitsy monja ihany, dia efa miatrika fahasahiranana hatrany ireo ray aman-dreny.

Ny volana jona no nifarana ny taom-pianarana ho an’ny sasany, ny hafa toa ireo niatrika fanadinam-panjakana samihafa dia ny volana jolay vao niàla sasatra. Misy fandaniana be dia be ho an’ireo ray aman-dreny izany mandra-pifaran’ny taom-pianarana. Kanefa ihany koa vao vita izany, dia atrehin’izy ireo sahady ny ho amin’ny fampidirana ireo zanany hianatra amin’ny taom-pianarana manaraka. Efa hita anoloan’ireo sekoly samihafa na eny amin’ireo peta-drindrina napetrak’ireo sekoly, ny tsy miankina no tena manao izay, ny fisokafan’ny biraony sy ny fanaovana ny fisoratana anarana. Misy ihany koa ireo sekoly no mamoaka avy hatrany ny kojakojam-pianarana samihafa sy ny fepetra takiany. Vola avokoa izany rehetra izany. Tsy maintsy mamoaka vola aloa ny ray aman-dreny, na any amin’ny tsy miankina, na any amin’ny fanjakana. Midika ho fahasahiranan’izy ireo izany rehetra izany.

Vao mainka hanampy trotraka ny fahasahiranana ny fiakaran’ny vidin’ireo kojakoja na fitoavam-pianarana eny an-tsena, izay tsy maintsy miakatra isan-taona. Ny saram-pianarana ihany koa tsy maintsy miakatra, noho ny hiakaran’ny saran-dalana tsy ho ela araka ny nambaran’ireo fikambanan’ny mpitatitra ny talata lasa teo. Ho sempotry ny fahasahiranana araka izany ireo ray aman-dreny ary tsy misy tany iainana na dia ao anaty fotoam-piàlan-tsasatra aza izao. Tsy manana vahaolana amin’izany rahateo ny fitondram-panjakana, ary iaraha-mahalala sy mahita, fa efa hatramin’izay izany fa tsy vao izao akory.