EDITO 3 Aogositra – Mpianatra : nanala azy vita bacc – Rajoelina, J- 37 : manala azy ny lalàna, hanala azy ny mpifidy

Ny Valosoa

Faheno isaky ny vita ny fanadinana bakalorea ny fomba fiteny hoe: “manala azy”, ny tanora no tena mampiasa azy io, ary misy mpanakanto iray, tsy tapaka isan-taona manao fampisehoana ho an’ny mpanala fanadinana bakalorea ka “manala azy” mihitsy no lohatenin’ilay fampisehoana : « manala azy vita bacc ».

Feno hipoka hatrany ny toerana amin’izany, satria lasa ambohipihaonan’ny tanora avy niatrika fanadinana ny “manala azy”, fa tsy izay ihany fa miparitaka amin’ny toerana maro ny “manala azy”, miseho amin’ny endriny samihafa, tsy voatery ho fampisehoana antsehatra, fa mety lanonam-pandihizana na fiarahana miala hetaheta, na fitositosian’ny tanora mpifankatia, fa ny antompisiany dia itovizana, vizana tamin’ny famerenan-desona sy ny fiatrehana ny fanadinana dia mba misinda kely, manao izay mahafalifaly ny vatana sy ny saina, sady fanamboarana ny saina ihany koa amin’ny fiatrehana izay voka-panadinana hiseho.

Fa isika olompirenena tsy very zo ihany koa dia manana fanadinana goavana hatrehina amin’ity taona 2023 ity, ary iankinan’ny ho avin’ny firenena sy ny taranaka fara amandimby izany fanadinana izany, dia ny fifidianana.

Noho izany dia mila miatrika amimpitoniana sy amimpandinihana tanteraka isika vahoaka Malagasy, saingy tsy mitovy amin’ny ataon’ny mpanala bakalorea ny antsika vahoaka, satria ny antsika ny “manala azy” dia ampiharina, arabakiteny ary tsy aorian’ny fanadinana ny fanaovana azy fa io “manala azy” io mihitsy no laza adina miandry antsika.

Efa be loatra ny dimy taona, tsy nahombiazan’ilay saribakolimbazaha, ny mety sy tsaratsara kokoa dia ny “manala azy” sy ny forongony amin’ny heviny ara-bakiteny.

Raha mbola hisisika hilatsaka izy, izay mety ho azo antoka fa hahazo ny fankatoavana avy amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC), dia ny lalampanorenana no efa “manala azy” mialoha ny fifidianana afaka 37 andro: J- 37, fa ny safidintsika vahoaka malagasy leo fahantrana no “manala azy” tanteraka sy mitsodrano azy hamonjy ny fodiany any amin’ny renimalalany, dia any izy no “manala azy” amin’ilay heviny fampiasan’ny tanora sady izy rahateo efa ara-dalàna ny taratasy hijanonany any.

Koa herezo ry vahoaka malagasy fa adidy tsy azo amaivanina ny miandry antsika, dia ny “manala azy”, ilay nampietry ny firenena sy nanapotika ny fiainan’ny malagasy ary nivarotra antsika tamin’ny lainga tsara lahatra, fa rehefa miala io fanetriben’ny firenena io, dia hilamina isika ka afaka “hanala azy” amin’ny heviny fampiasan’ny tanora mpanala bakalorea.