AZA MBA HO ISAN’NY DEDAKA IHANY!

Tena mafy ny manjo ny dedadahy toa anareo,
Fa na dia efa ho rendrika aza, te hiantso hoe vonjeo,
Dia menatra an’ireo mpanohitra noho ny vavabe natao,
Ka mbola sahy manodin-dresaka sy mandainga lava izao!

Tena mafy ny manjo ny dedadahy toa anareo,
Fa na dia be ireo antsoantso, ny toloko sy toreo,
Dia ‘ndreo ‘nareo manampin-tsofina toy ny olona marenina,
Saingy ao ambadika ao dia re f’efa mipenimpenina!

Tena mafy ny manjo ny dedadahy toa anareo,
Fa na dia nisy ireo niteny hoe « mialà fa be no leo »,
Dia ‘ndreo ‘nareo fa mody fanina sy minia tsy te hahalala,
Toa tsy manam-bahaolana afa-tsy ny ny miala bala!

Tena mafy ny manjo ny dedadahy toa anareo.
Aleoko ihany ny toa ahy ety ambany sy iva feo,
Toy izay ny toa anao mpitondra tena maimbo sy masiso:
Voky fahorian’ny hafa sy matavin-drisoriso!

TSIMIMALO (01-08-23)