Vohiposa Ambohimahasoa. Fifidianana – Terena hitanila sahady ireo préfet sy Sefo Distrika, hoy Ravalo

Manoloana ny teritery samy hafa atao amin’ny mpiasam-panjakana, na sokajin’olona hafa, mialoha ny fifidianana, misy ny fanambarana mafonja nataon’ny filoha Marc Ra-valomanana omaly tany Vohiposa distrikan’Ambohimahasoa, faritra Matsiatra Ambony:

“Ny Minisitry tamin’ny alalan’ny taratasy laharana faha-162/2023-MID tamin’ny 27 jolay 2023 lasa teo dia maniraka ireo Préfet sy Chef de District rehetra, hitety Kaominina maika hanontany ny tena ilain’ny Vahoaka ho an’ny Fampandrosoana sy hanazava ny Politika ankapoben’ny Fanjakana (PGE) ary hitanisa ireo zavabitan’ny Fitondrana. Ireo Préfet sy Chef de District ireo indray, no manery ny Mpiasam-panjakana rehetra eo ambany fahefany ary manery ireo Mpandraharaha tsy miankina eo amin’ny faritra misy azy, hanampy: na ara-bola na ara-pitaovana hanatanterahana io baiko nomen’ny Minisitry ny Atitany io. Mazava anefa fa tsy amin’izao fotoana fiafaran’ny mandat izao no fanaovana ny ezaka hahafantarana ny hetahetan’ny vahoaka ho an’ny fampandrosoana. Tsy amin’izao fiafaran’ny mandat izao ihany koa no fanazavana ny Politika ankapoben’ny Fanjakana na ny Politique Générale de l’Etat (PGE).

Aminay dia mazava ny tetika sy ny tanjona amin’izao baiko nomen’ny Minisitry ny Atitany izao. Mahitsy sy mazava izahay milaza fa: izao fanirahana maika ireo Préfet sy Chef de District ireo hitety Kaominina izao dia fampiasana ny fahefam-panjakana hanaovana fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana hanohanana ny Mpitondra. Izao zavamisy izao dia finiavana sahady handika ny lalàna velona izay mitaky ny tsy tokony hisian’ny fiandaniana sy fitanilàna ataon’ny Administration sy ny Mpiasam-panjakana mialohan’ny Fifidianana. Fandikan-dalàna ny fampiasana ny Fahefam-panjakana sy ny Mpiasam-panjakana ary ny fananam-panjakana hanaovana fampielezan-kevitra hanohanana olona amin’ny Fifidianana. Noho izany, dia raisinay ho fihantsiana na provocation izao fihetsika ataon’ny Fitondrana izao.

Efa nisy ny taratasy nataon’io Minisitry ny Atitany io ihany, izay nandrara ny famoriam-bahoaka ankalamanjana manerana ny Nosy ary nanery ny fivoriana rehetra tsy maintsy natao anaty trano mihidy. Tsy ara-dalàna sady niteraka savorovoro sy korontana maro nanerana ny Nosy ny fampiharana iny fepetra tsy fahazoana namory vahoaka ankalamanjana navoakan’ny Minisitry ny Atitany iny. Izao indray dia misy ity taratasy sy baiko ity, izay miendrika fampiasan’ny Mpitondra ireo Mpiasam-panjakana rehetra hanao fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana hanohanana azy.

Averiko ihany ary hamafisiko eto androany, fa tsy azo ekena intsony ny fandikan-dalàna sy ny famita-hana ny vahoaka malagasy amin’ny fanodinkodinana ny safidiny. Tsy maintsy mijoro isika hanohitra izany, ary mailo tena mailo tsy ho tafiditra ao anatin’ny velapandrik’ireo mitetika hanakorontana. Noho izany dia manao izao Antso izao aho:

1- Miantso ny rehetra any amin’ny Kaominina tsirairay avy, ny Antoko politika, ny Société civile, ny vahoaka iray manontolo hanara-maso sy hanao tatitra ary hamaky bantsilana izay mety ho fampiasana ny fahefam-panjakana sy ny Mpiasam-panjakana ary ny fananam-panjakana hanaovana fampielezan-kevitra sahady hanohanana Kandida amin’ny Fifidianana.

2- Mitaona anareo Mpiasam-panjakana mba hanaja ny tsy fiandaniana sy ny tsy fitanilana amin’ny fanatanterahana ny asanareo. Miantso anareo, mba tsy ho mpiray tsikombakomba amin’ny tsy fanarahan-dalàna. Aza adino fa fandikan-dalàna ny fanatanterahana baiko tsy ara-dalàna. Aza adino ihany koa fa ny Mpitondra mandalo, fa ny raharaham-panjakana mitoetra.

3- Miantso ny CENI tsy hangina intsony manoloana izay mety ho tsy fanarahan-dalàna haterak’izao baiko izao. Mila fifidianana madio handraisan’ny rehetra anjara, mba hisafidianany izay olona hanarina ny firenena, satria mila vonjy ny vahoaka sy ny firenena. Aoka ianareo tompon’andraikitra rehetra mba hihaino ny hafatr’ireo ray amandreny ampanahy amin’ny fahendrena tokony hitondrana ity tanindrazana izay iaraha-manana ity, ka hanaja izay ho safidim-bahoaka. Hombantsika mandrakariva Andriamanitra.”