Manamboninahitra zandary namono tovolahy – Tsy tany Befotaka Nord ihany, fa efa nisy koa tany Andilamena

Ny Valosoa

Nitrangana vono olona fanahiniana natao tamin’ny alalan’ny fiataovam-piadiana mahery vaika (basy), nataona zandary, tany amin’ny kaominina Befotaka Nord distrikan’Analalava Faritra Sofia. Tovolohy kely iray 21 taona antsoina hoe: RAVELONANAHARY Tafita, zanak’i COLBERT Joseph sy RAHARIVELO Ebelle Éliane, teraka tao Ambandrika MANAKARA, faritra Fitovinany mila ravin’ahitra, Réceptioniste, tamina Hotel fandraisam-bahiny ao BEFOTAKA NORD, no notifirin’ny ZANDARY manamboninahitra miasa any amin’iny faritra iny sy ny namany izay niaraka tany an-toerana, ny sabotsy 29 jolay 2023 teo, tokony tamin’ny 8 ora maraina, tao Befotaka Nord. Noahiahian’ity manamboninahitra ity ho nangalatra ny telefoniny, no antony nitifirany azy araka ny vaovao voaray ihany, saika hoentin’izy ireo hatao famotorana tany amin’ny biraony ity tovolahy maty ity, kanjo teny an-dalana no nitranga izao famonoana azy izao nataon’ireo mpitandro filaminana ireo.

Araka ny loharanom-baovao ihany, tsy vao sambany no nanampatra fahefana sy manao fomba fiasa ratsy sy feno fandikan-dalàna tahaka izao ity manamboninahitra ity. Mihorohoro, mandry tsy lavo loha ny mponina any amin’ny faritra iasany, vokatr’izao hafitsony izao. Aiza ho aiza ny tompon’andraikitra mahefa sy ny zon’olombelona, amin’izao tranga mampalahelo izao, hoy ireo nanao ny fitarainana avy any Befotaka Nord. Ny zandary natao ho tandroka aron’ny vozona, miaro ny vahoaka sy ny fananany indray ve, no manao fihoaram-pefy, fanamparam-pahefana amin’ny vahoaka madinika tsy mandady harona tahaka izao. Ahiana hiteraka savorovoro sy fikorontanana ao an-toerana ity toe-draharaha ity, raha tsy voajery sy voavaha haingana, satria tsy manaiky ny mpanao fitarainana sy ny fianakavian’i Tafita.

Efa ratsy laza tany Andilamena ilay manamboninahitra

Araka ny vaovao voaray koa izao, efa ratsy lasa tany Andilamena faritra Alaotra Mangoro io manamboninahitra nanampatra fahefana tany Befotaka Nord Analalava io ary voarohirohy ho namono an’i Tafita. Efa maro ny olona novonoiny tany Andilamena raha ny vaovao azo koa izao, Andilamena izay niasany taloha ary efa namoaka vava mihitsy izy tao Andilamena hoe « vola sa fasana », izay tsy mifanaraka aminy ary manginy fotsiny ny nanaovany tsinontsinona ireo Tangalamena sy olom-boafidy sy olom-boatendry tao Andilamena. Efa maro ny fitarainana sy fitoriana izay nataon’ireo olona tao amin’ny Distrikan’Andilamena azy, saingy mirehareha ity manamboninahitra ity, fa manana mpiaro satria dia maro ny rahalahiny sy ny fianakaviany no jeneraly ao amin’ny zandarimaria sy ny tafika Malagasy, ka izay no hireharehavany. Efa niasa tao amin’ny faritra Menabe koa izy saingy noho izy voalaza ho niray tsikombakomba tamin’ny dahalo dia isan’ireo niteraka ny tsy fandriampahalemana tao amin’ny tapany avatry ny distrikan’i Miandrivazo koa ny tenany ary mbola notohizany hatrany izany fomba ratsy izany rehefa tany amin’ny distrikan’Andilamena sy tany amin’ny faritra Sofia izao. Mila famaizana sy fandraisana fepetra ny mpitandro filaminana sahy mihoa-pefy lasa toy izao.