Serge Imbeh Jovial sy ny Filoha Ravalomanana – Hiara-hanoratra pejy vaovao ho an’ny taranaka sy ny tanindrazana

Nangonin’Isambilo

Tafaresaka tamin’ny kandidà filohampirenena tamin’ny taona 2018, sady ao amin’ny antoko AFIMA: Antoky ny Fivoaran’ny Malagasy, Serge Imbeh Jovial ny gazety Ny Valosoa Vaovao. Anisan’ireo Malagasy monina any ivelany, niatrika ny fihaonana tamin’ny filoha Marc Ravalomanana farany teo tany Frantsa izy. Dinidinika:

Gazety Ny Valosoa Vaovao (GNVV): Inona no nahatonga anao nanatrika ny fihaonan’ny filoha Ravalomanana tamin’ny diaspora farany teo iny tany Frantsa ?

Serge Imbeh Jovial (SIJ): Nisy ny fifampiresahana teo aminay mirahalahy mianaka ary nanasa ahy izy, ny hanatrika iny fihaonana iny, hifandinika sy hijery ny ho avin’ny firenena. Araka ny fantatrareo dia filohan’ny antoko AFIMA ny tena: antoko Antoky ny Fivoaran’ny Malagasy, manana olom-boafidy vitsivitsy any amin’ny commune ary miara-mahatsapa ny fahoriam-bahoaka sy ny zavatra rehetra mianjady eto amin’ny firenena. Nifampizarana ny fomba fijery izahay ary tiako ny maneho etoana fa efa nisy ny firaha-miasa teo aminay sy Filoha Ravalomanana tamin’ny fifidianana fihodinana faharoa ny taona 2018. Tsy mifanalavitra ny programan’asanay sy ny fomba fijery: «FAMPANDROSOANA AN’i MADAGASIKARA ».

GNVV: Inona ny hafatra nampitainao nandritra iny fotoana iny?

SIJ: Ny hanambatra ny hery rehetra satria tsy ho vitan’olo-tokana izy ity. Hijery miaraka ny fomba rehetra hanarenenana ny firenena sady hanoratra indray ny pejy vaovao ho an’ny taranaka sy ny tanindrazana.

GNVV: Ny fahitanao ilay caution na antom-bola 200 million Ar amin’ny fifidianana?

SIJ: tsotra dia tsotra ny ahy, satria tsy manara-dalàna io. Lalàna fehizoro 2018-009 sy 2018-008 no mbola ampiasaina amin’izao fifidianana izao ary fantantsika tsara 50 million d’ariary no voasoratra ao amin’io lalàna io. Raha misy ny fanovana dia tsy maintsy mandalo eny amin’ny Antenimierampirenena. Efa tsy mahagaga moa ny tsy fanarahana lalàna misy eto amin’ny firenena.

GNVV: Ny fahitanao ny finiavan’ny filoha Rajoelina nangataka ny zom-pirenena Frantsay?

SIJ: Mazava ny lalàna ary tsy mila adika akory, araka ny voalazan’ny article 42 de la code de nationalité ary mifandraika amin’ny article 46 ao amin’ny lalam-panorenana. Ny olona minia mandika vilana, indrindra ireo mpahay lalàna dia manao ny atao hoe “déni de la realité”, sy tsy manana ny atao hoe “honnêteté intellectuelle”. Tsy mila idirana lalina akory io, fa efa mazava ny atao hoe NATURALISATION. Izy no nangataka ary ampy taona izy nanao an’izany. Efa nanana andraikitra ambony teo amin’ny firenena izy no nangataka izany. Amiko manokana dia miombon-kevitra amin’ireo mampiasa ny teny hoe: HAUTE TRAHISION aho.

GNVV: Tokony havela hirotsaka ihany ve ny Filoha Rajoelina raha izany sa tsia?

SIJ: Tsy misy ambonin’ny lalàna na iray aza. Rehefa tsy mahafeno ny fepetra rehetra dia tsy afaka mirotsaka. Andraikitry ny HCC sy ny Fitsarana mamoaka ny certificat de nationalité izay taratasy tadiavina amin’ny firotsahana ho fidiana no manameloka tanteraka izany ary mampahafantatra mazava amin’ny vahoaka Malagasy.

GNVV: Aminao, misy mbola tokony hahitsy ve ny lalam-pifidianana?

SIJ: Aoka isika tsy hanadino ny tantara. Io lalam-pifidianana io no nampidina ny 73 deputés teny amin’ny kianjan’ny 13 mey. Inona ny antony, tsy mety amin-dry zareo ilay lalàna. Nefa nahoana indray 5 taona aty aoriana dia io ihany no ampiasaina? Mila lalàna ho an’ny firenena isika, fa tsy lalàna ho an’olombitsy. Raha io lalàna amin’izao io anie dia mila bulletin numéro 1, 2 sy bulletin numéro 3 e. Tsy mino aho, fa mahafeno ny fepetra ny filoha amperin’asa.

GNVV: Ahoana kosa ny mahakasika ny CENI sy HCC amin’izao?

SIJ: mampalahelo satria hatrany amboalohany mihintsy no efa nanome ahiahy sy tsy fifampitokisana amin’ny mpanao politka izy ireo. Hadinontsika ve fa ny vadin’ny filohan’ny CENI anie tao amin’ny governemanta nandritra taona maro e! ary ihany koa ny Vadin’ny SGAP dia ao amin’ny HCC. Misy ny atao hoe “CONFLIT D’INTERETS MANIFESTE “. Fomba ahoana no tsy ampiahiahy? lasa fitantanam-pianakaviana ireo andrim-panjakana ireo.

GNVV: Hafatra ho an’ny vahoaka Malagasy Andriamatoa Serge Imbeh Jovial?

SIJ: Ho an’ny vahoaka Malagasy: aoka isika hahay hifidy ary handinika lalina, satria ny ho avin’ny firenena sy ny taranaka no ho banjinina.

Mila olona manana vinam-piarahamonina matotra sy fahaiza-manao ny firenena. Ho an’ny mpanohitra rehetra: aoka isika hanambatra ny hery rehetra hahafahantsika miatrika miaraka izao fifidianana izao. Avelao ny hambompo diso toerana.

Mitady aina vaovao ny firenena ary mitady fampandrosoana haingana.