NY MPITONDRA SY NY KOLIKOLY

Efa mangorona entana hatramin’ny vahiny
Ka mieritrereta ianareo ry boaikely,
Satria efa tena ihandronan’ny tsiny
‘Nareo sy ny fombanareo tsy modely.

Tsy nisy tanteraka ireo velirano,
Toa zary nijanona ho ronono an-tavy,
Fa raha kolikoly sy kitranoantrano
Dia sangany mihitsy ‘nareo mianakavy!

Matoa i Norvezy nandao ny tanàna
Dia maro ireo zava-tsy zakany intsony,
Ary anisany ireo « kolikoly mafana »
Izay toa lasa fiainanareo eny ambony.

Tsy misy mamiratra fa mitsilopy
Ny kintana izay nantenain’ny gasy,
Satria kolikoly no lasa lasopy
Sy rano fisotro eto anivon’ny lasy!

…Miroso mankaiza ary ny firenena
Fa tena manjaka eto ny asan-devoly?
Raha ao amintsika ilay hoe fahendrena
Dia andeha hofoanana ny kolikoly!

DADAN’i RIANA (01-08-23)