FANADIOVANA NO MAIKA

Aminay ny fanadiovana, izany izao no tena maika,
Mila raofina ny fako sy ny loto eto an-tanàna,
Saingy ry vazahabe dia modimody tsy miraika
Fa toa faly hitango vola sy variana mampifana!

Tena tsisy maharatsy ny fanaovam-bakisiny,
Saingy mila fanadiovana, io no tena maika indrindra.
Iza re no hanilihana, iza no homena tsiny
Raha miverina eto indray ireo aretina mifindra?

Irony fako misavovona, efa ho lasa tendrombohitra,
Saingy mba nankaiza re ireo fiarabe izay nidedahana?
Mbola sahy hilaza indray hoe fingampingan’ny mpanohitra
No mahatonga irony loto izay toa efa iravahana?

Vary kely indroa mihinana, izany indray no hoe zaraina,
Fanodinan-tsaina ireny, nefa aleo ekena ho dingana,
Saingy mba ahoana kosa ny amin’ny fako tsy hay lazaina,
Sao hiverina eto indray ireo aretina mandringana?

Fanamboarana ny lalana, tena tokony hohafainganina.
(Mampiteny iretsy moana ireo karazam-pitohanana!)
Mbola hotanana ny hoe « ireny anie ka tsy azo hanina »?
‘Ndao fa dia hifankahita raha handeha ny fifidianana!

…Tena mila fanadiovana amin’ny lafiny rehetra
Fa ao anaty fahalovana i Madagasikarantsika.
‘Ndao esorina ny fako, ny mpitantana voretra,
Raha tiana ny ho lohany sy ho modely eto Afrika!

IRINA HO TAFITA (30-07-23)