Ekar. Filoha Ravalomanana – Nanatrika koa ny fametrahana ny Arseveka vaovaon’Antananarivo

Stefa

Nanatrika koa ny fametrahana amin’ny Fiketrahana Masina, ny Arseveka vaovaon’ny Arsidiosezin’Antananarivo, ny filoha Marc Ravalomanana, ny alahady teo, teny Soamandrakizay. Nambaran’ny filoha nasionalin’ny antoko TIM nandritra izany fa:

“Miarahaba ny Arsevekan’Antananarivo vaovao, Mgr Jean de Dieu RAOELISON ny tenako. Miarahaba ihany koa ny Kristianina katolika rehetra eto Antananarivo nahazo Arseveka vaovao. Tena faly aho nanatrika ny sorona masina nametrahana azy androany teny Soamandrakizay. Isika dia noharian’Andriamanitra toy ny tenany, sarobidy ny olombelona, ary Andriamanitra tsy mamela antsika ho irery fa mangatahà aminy dia omeny isika, indrindra ny FAHENDRENA”, hoy izy tao aorian’ny lamesa lehibe teny an-toerana.

Ankoatra izany, nifarana tamin’io fotoana io koa ny JNE, na ny androm-pirenen’ny ankizy katolika. Mahajanga indray, no hampiantrano ny andiany manaraka. Tontosa ny alahady teo koa ny Sorona Masina lehibe famaranana ny Andro Nasionalin’ny Ankizy katolika na JNE io, izay natao teny Soamandrakizay ihany koa. Andiany fahatelo ny tamin’ity taona ity, izay nampiantranoan’ny Arsidiosezin’Antananarivo.

Nandritra izany koa no nanatanterahana ny fametrahana amin’ny Fiketrahana Masina ny Arseveka vaovao ny Arsidiosezin’Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison, ka nanolorana azy ny Paliôma manamarika izany, sy ny tehina maha mpiandry ondry azy. Nambara tamin’ny famaranana, fa ny Diosezin’i Mahajanga indray no hampiantrano ny JNR andiany faha-4.