EDITO 1 Aogositra – Fitsarana bakalorea – Miankina amin’ny mpampianatra ny zava-drehetra

Sôh’son

Hanaiky ny tambitambin’ny mpitondra fanjakana, sa hijoro amin’ny maha mpampianatra sy mpanabe azy marina ireo mitsara ny fanadinana bakalorea amin’izao fotoana izao? Misy ny fifampidinihana eo amin’ny mpampianatra mpitsara ny fanadinana sy ny tomponandraikitra, ao anatin’izany ny avy amin’ny ministera, ifandaminana amin’ny fomba hitsarana ny nataon’ny mpiadina. Mazava loatra fa mifandraika amin’ny zava-misy teto amin’ny firenena sy nitranga, no hamaritana ny fomba fitsarana. Ka miankina araka izany amin’ireo mpampianatra ny ho vokatry ny fitsarana fanadinana. Matetika dia eo amin’ireo mpampianatra mitsara ny fanadinana taranja tantara-jeografia no misy indro kely. Misy sasany amin’izy ireo mantsy no marisarisa ihany amin’ny fahitana devoara amin’ny teny malagasy; ary indrindra nisy ireo toe-javatra mamohehitra nitranga nandritry ny fotoam-panadinana izay niaraha-nahalalala sy nahita ireny. Dia ho sanatria ho mpampianatra manenjika vola fotsiny ve izy rehetra ireo, fa izay vokany any dia vokany? Ho lasibatra amin’izany ny zanaka malagasy.

Ho hatraiza ihany koa ny voka-panadinana? Ho hentitra amin’ny fetran’ny naoty ekena ho afa-panadinana na ny “délibération”, fa fanadinana bakalorea no natao sy nitsinjovana ny tsy hihenan’ny lanjan’ny diplôma amin’izany, sa hihevitra ny kajikajy politikan’ny fitondrana ankehitriny naroso tao? Ho hita eo ny amin’izany, fa any amin’izy ireo ny baolina araka ny fitenenana. Hisy lanja ny fanadinana bakalorea sy ny diplôma amin’izany dia noho izy ireo, na tsia dia mbola noho izy ireo ihany koa. Nambara, fa afaka iray volana eo no hivoaka ny valim-panadinana ka dia samy miandry ny rehetra, indrindra ireo mpiadina aman’hetsiny manerana ny Nosy niatrika izany.

Ho hita eo ihany koa na mbola hisavoritaka hifanosika miady laharana toy nisy taona vitsivitsy lasa izay izy ireo rehefa maka ny saran’ny nitsarana fanadinana, ka tsy hisaina hahatsiaro intsony ny maha mpampianatra sy mpanabe azy, fa mipetraka ho toy ny mpikarama matahotra tsy hahazo vola na ho taraiky vao hahazo ny anjarany. Rehefa mahita ireny toe-javatra ireny, dia misintona saina hihevitra fa noho ny ataon’izy ireo ihany koa no mampihena ny lanjan’ny fampianarana sy indrindra ny mpampianatra eto Madagasikara. Izy ireo ihany koa no mampikorosy ny anjara toeran’ny mpampianatra, satria tsy mipetraka ho môdely ho tarafin’ny hafa. Ahitana lesoka lehibe hatrany ity seha-pampianarana ity ary isehoan’olana samihafa isan-taona. Ny fototr’izany dia ny tsy fahaizan-draharahan’ireo tomponandraikitra ihany, ary miainga avy any amin’ny minisitera misahana azy izany.