27.07.2023 – Fifidianana – Mifandinika ny kandidà Marc Ravalomanana sy ireo solontenan’ny SADC

Ny Valosoa

Vonona tanteraka hiatrika fifidianana ny Antoko Tiako i Madagasikara. Tonga nihaona tamin’ireo iraky ny SADC ny Filoha mpanorina ny antoko, Marc Ravalomanana omaly hariva alakamisy 27 jolay 2023 teny amin’ny Hôtel Colbert, Antaninarenina.

Mpikambana ao anatin’ny SADC i Madagasikara ary manana fahefana tsara izy ireo amin’ny fandrindrana ny fifidianana ho avy eto.