27 Jolay 2023 – Ambodivona – CENI – Atrikasa fahatelo – Fifidianana – Kabarin’ny kandidà Marc Ravalomanana

Ny Valosoa

27 Jolay – Atrikasa fahatelo nomanin’ny CENI, ahitana zotrampifidianana ao anaty fitoniana tao amin’ny Hotel Radisson Blu Ambodivona. Mpandray anjara: mpanao politika, fiarahamonimpirenena, mpiara-miombonantoka manome tantsoroka hanatanterahana ny fifidianana.

Nandray fitenena tamin’izany ny kandidà Marc Ravalomanana.

KABARY

CENI 27 JOLAY 2023

Miarahaba antsika rehetra

Misaotra ny CENI nikarakara izao fihaonana izao ary fanirianay ny hitohizan’ny fifanakalozan-kevitra toy izao mandritra ny zotram-pifidianana iray manontolo.

Ianareo CENI no tomponandraikitra voalohany amin’ny fikarakarana sy fitantanana ny Fifidianana.

Koa manana adidy sy andraikitra lehibe ianareo amin’izany, satria miandrandra fifidianana malalaka, madio, mangarahara, manaja ny tena safidim-bahoaka marina ny Vahoaka Malagasy.

Olom-pirenena malagasy ianareo, ary nanao fianianana. Noho izany, sahia mijoro mandray andraikitra hatramin’ny farany ao anatin’ny fanajana ny lalàna, ny marina, ary ny rariny sy ny hitsiny.

Iaraha-mahalala fa latsaka anaty fahantrana lalina ny Firenena sy ny Vahoaka Malagasy nohon’ny tsy fahaiza-mitantana sy ny fanjakan’ny kolikoly.

Aoka izay ny kolikoly mambotry Firenena.

Mitaky fifidianana madio ny fanarenana ity Tanindrazana malalantsika ity.

Aza manaiky baikon’ny sasany ka hiray tsikombakomba amin’ny tsy ara-dalàna.

Tokony ho hita taratra mandrakariva amin’ny fanatanterahanareo ny asanareo mandritra ny zotram-pifidianana rehetra ny maha-MAHALEOTENA anareo.

Mampieritreritra ihany indraindray ny mahita ny fahanginana sy ny tsy fandraisan’andraikitry ny CENI manoloana ireo tsy fanarahan-dalàna miseho.

Ohatra raisiko amin’izany ny fahanginan’ny CENI nanoloana ireny sakatsakana sy herisetra ary fampihorohoroana mihintsy aza nataon’ny Fitondram-panjakana tamin’ireny famoriam-bahoaka izay nataonay ireny.

Famoriam-bahoaka hanaovana fanabeazana sy fanentanana ny olona hisoratra anarana ao anaty lisitry ny Mpifidy anefa no atao dia herisetra no asetrin’ny Mpitondra, ary fahanginana no hita avy amin’ny CENI

Tsy mahagaga raha tsy tratra ny tanjona tamin’ny isan’ny Mpifidy tokony hisoratra anarana tao anatin’ny Lisitry ny Mpifidy satria tsy ampy ary nosakanan’ny Fanjakana ny fanentanana ny Mpifidy

Mampieritreritra ihany koa ny fahanginan’ny CENI mikasika ny fampihenan’ny Fitondrana araka izay nitiavany azy ny tetibola hanatanterahana ny Fifidianana

Soa ihany fa teo ireto Mpiaramiombon’antoka ara-bola sy ara-teknika amintsika ireto, manampy amin’ny alalan’ny fametrahana ny Basket Fund ary isaorana azy ireo manokana izany

Mahalasa saina ihany koa ny fahanginan’ny CENI manoloana ny fanovan’ny Governemanta ny sandan’ny caution tokony haloan’ny Kandida na dia tsy mifanaraka amin’ny Lalàna aza izany amin’ny maha-Fifidianana mialohan’ny fotoana ity Fifidianana ity

Mitaona ny CENI izahay tsy hangina intsony sy ho mpiray tsikombakomba fa ho sahy hijoro hampiasa ny Fahefana omen’ny Lalàna azy manoloana ireo tsy fanarahan-dalàna sy Kolikoly ara-pifidianana mety hitranga

Miantso ny CENI ihany koa izahay hanaja ny tsy fiandaniana sy ny tsy fitanilàna (Neutralité) amin’ny fanendrena ireo izay hanana andraikitra amin’ny fikirakirana ny vokam-pifidianana toy ireo ho Mpikambana ao amin’ny Bureau de vote sy ny ao amin’ny SRMV

Tokony hanana fahasahiana koa ny CENI handray fepetra hanaisotra sy hanasazy ireo Mpiara-miasa aminy tompon’andraikitra any amin’ireo rantsamangaikany izay miandany sy mitanila ary manao politika manohana Kandida

Efa naheno feo sahady mantsy izahay fa misy manana teti-dratsy hanao « manipulation électorale », na hosoka sy fanodikodinana amin’ny fifidianana. Tsy fantatray na ianareo ato amin’ny foibe no voakasik’izany, na ireo any amin’ny Ratsamangaikanareo no tafiditra amin’izany tambazotra izany.

Tsy azo ekena izany, ary mila mandray andrikitra daholo ny rehetra mba hijoro sy hiady amin’izany.

Mila mailo isika manomboka izao, ka mandra-pahavitan’ny fifidianana.

Taotrano tsy efan’irery. Hiasa miaraka isika, ary ho vakintsika batsilana ny tetidratsy rehetra mikendry ny fanodikodinana ny safidim-bahoaka.

Manainga ny rehetra aho hanao tatitra haingana raha vao misy trangan-javatra hafahafa, na mampiahiahy.

Efa nilaza aho hatramin’izay, ary mbola manamafy eto anio fa vonona hiatrika ny Fifidianana ary hanao izay azonay atao hametrahana tontolo manodidina milamina hahafahan’ny CENI mikarakara ny Fifidianana.

Na izany aza anefa dia ambarako ampahibemaso eto fa tsy hanaiky lembenana izahay ary handray ny fepetra rehetra raha sendra misy ny tsy fanarahan-dalàna mitranga ka hiteraka hosoka sy famadihana ny safidim-bahoaka

Raha ny fandaharam-potoana dia hiresaka mikasika ny Lisitry ny Mpifidy isika rehefa avy eo. Mampametram-panontaniana anay ihany anefa ny antony nahatonga ny fihenan’ny isan’ny Mpifidy tamin’ireo Faritra lehibe toa an’Analamanga sy Vakinankaratra ary Bongolava

Vita moa iny ny Audit natao tamin’ny Lisitry ny Mpifidy.

Isaorana ny CENI tamin’ny fampandraisana anjara ny manam-pahaizana avy taty amin’ny Antoko politika.

Mba hitohizan’ny fiaraha-miasa sy hipetrahan’ny fifampitokisana dia miantso ny CENI ihany koa izahay hampanao Audit ny Logiciel hikirakirana ny vokam-pifidianana.

Anisan’ny horesahana androany ihany koa ny mikasika ny lafiny ara-bola sy ny Basket Fund.

Mitaona anareo Mpiaramiombon’antoka ara-bola mba hanampy ny Société civile Malagasy sy ny FFKM hahafahan’izy ireo manatanteraka ny fanaraha-maso ny Fifidianana sy manamafy ny fanentanana sy fanabeazana ny Mpifidy.

Mpifankatia tsy mifamarafara hono ady no hiafarany araka ny fiteny Malagasy,

Noho izany dia misy ny taratasy apetrakay ho anareo CENI mirakitra ireo teboka heverinay fa tokony handraisanareo andraikitra mba hisian’ny Fifidianana marina sy ho eken’ny rehetra eto amin’ny Firenena

Iankinan-javatra lehibe ny asanareo. Henoy ny feon’ny fireitreretanareo. Jereo ny tombotsoa ambonin’ny Firenena,

Koa …

Aza miandany amina kandida na antoko politika

Aza manaiky fandrahonana, na fanambazana

Ataovy mandrakariva ny marina sy ny mangarahara amin’ny zotram-pifidianana rehetra

Satria mibanjina anareo ny Firenena sy izao tontolo izao, koa aza mandraraka ilo mby an-doha.

Homba antsika mandrakariva Andriamanitra.