TIM Antalaha – Nanentana amin’ny fiatrehana fifidianana tany Antananambo

Stefa

Nanentana ho amin’ny fiatrehana fifidianana ho avy tany Antananambo distrikan’Antalaha faritra Sava, ny mpitarika avy amin’ny antoko TIM Antalaha. Tontosa izany fidinana ifotony nataon’izy ireo izany tany amin’ity kaominina Antananambo afak’omaly, nanentanana sy nanomezan’izy ireo toromarika ny mpikambana TIM, mialohan’ny fifidianana izay hatao amin’ity taona ity. Nisy ny fanofanana tsotsotra ireo mpikaroka momba ny fifidianana nandritra izany fotoana izany. Nilaza ho samy vonona hampandresy ny filoha Marc Ravalomanana koa izy ireo, amin’ny fifidianana filoha ho avy io.