SINOA ANGAHA NO MPAMPIANTRANO ?

Ny firenena malagasy no nekena ho mpampiantrano,
Saingy indrisy, zava-kafa no voasoratra amin’ny fafana!
Kelimaso no nantsoina ka dia loza sy angano,
Fa ireo no hamaky sehatra sy hanao ny fanokafana!

Efa tena lany henatra sady tena fohy fisainana
Ny mpitondra ankehitriny ka manao ny tsy fanao.
Marobe ny fanakianana ary koa ny fitarainana,
Saingy valin-teny an’avona: »’Zahay aloha no eto izao ».

Fialana andraikitra hatrany, izay no atao ho re manako,
(Raha miseho ny tsy fahaizana, raha vao misy ny tsy mety.)
Ambara koa fa ny mpanohitra no mpampiasa kaonty fako
Mba hoenti-manaratsy ity ilay iray « mpanao makety »!

Izany izao no zava-misy, tsisy lainga noforonina,
Iray volana mialohan’ilay hoe « lalaon’ny nosy ».
Jamba ve ianao mpitondra sa andrasana hodonina,
Fa ny maha-malagasy no efa toa voahosihosy?

…Hisy ihany ny lalao sa tena hiandry ny ora farany
Vao hibaboka fa hoe: « tsy tafa indray ‘zahay mpamitaka ».
Dieny izao dia aoka hitsotra ingahy filoha sy ny maparany
Sao tsy hisy zava-banona fa ho avy ny saritaka!

TSIMIMALO (28-07-23)