IZANY INDRAY IZAO NO MALAZA

Izany indray izao no malaza: hisondrotra ny saran-dalana,
Tsy hijanona amin’ny teo fa hiakatra ho valonjato.
Efa be ny gasy anefa no herinandro tsy mivalana,
Tsisy intsony ny havoaka f’efa maina tato ho ato!

Izany indray izao no malaza: hisondrotra ny saran-dalana,
Raha ny fahantrana anefa, toa tsy misy fiafarana.
Ho an’ireo vahoaka tsotra, efa mihatra amin’ny akalana,
Saingy toa mitazam-potsiny ireo mpitondra fanjakana!

Izany indray izao no malaza: hisondrotra ny saran-dalana,
Saingy hatreto Rainilainga dia tsy manana hambara.
Izy toa tsy taitra akory fa minia mihalangalana,
Angamba ny ila tongony aza efa tsy eto Gasikara!

Izany indray izao no malaza: sondro-bidy tsy hay fefena,
Vokatry ny tsy fahaizan’ny mpitondra firenena.
Mila fiovana maika i Madagasikarantsika,
Ialao ilay hoe « tsy gasy intsony » faly manatsara bika!

DADAN’i RIANA (25-07-23)