Filohan’ny FCRTM sy ny Ampanjakan’i Menabe – Voaresaka ny hamerenana ny Kabeson’ny Ampanjaka Toera

Rajepa

Manantanteraka asa fanentanana mikasika ny fampiasana zaza tsy ampy taona miaraka ny OIT, araky ny fanasana azony tamin’ny solontena maharitry ny OIT eto Madagasika, Ramatoa Prensesy Zoendreniny Elakovelo, izay filohan’ny FCRTM na ny Fédération des Communautés Royales Traditionnelles de Madagascar. Ankoatran’ny fanentanana dia nisy koa ny fitsidihana aram-pomba fifanajana ny Ampanjakan’i Menabe ny Printsy Magloire Kamamy, izay nataony ny alahady 23 Jolay lasa teo.

Nivoitra nandritra izany ny fandinihana ny fandraisana andraikitra eo amin’ny fiarovana ny fihavanana sy ny kolontsaina Malagasy, izay voaviraviran’ny fandrosoana mihoapampana avy any ivelany, eo koa ny fandinihana ny fanohizana ny fomba hamerenana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera, sy ireo kabeso roa miaraka aminy any, satria nanambara ny Printsy Magloire Kamamy, fa ankoatran’ny kabeson’ny Ampanjaka Toera dia misy kabeso roa koa hoy izy miaraka aminy any. Hatreto, tsy hay ny tohin’ny fampanantenana izay nataon’ny filoha Rajoelina sy ny minisitry ny serasera sy kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy, izay nilaza fa hataon’ny fitondrana ny fampodiana ny Kabeson’ny Ampanjaka Toera an-tanindrazana, fa dia andro maromaro sisa isaina dia hiala eo amin’ny fitondrana ny filoha Andry Rajoelina dia fitaka sy lainga no nafahana ny fanjakana Sakalava ka toy ny rafotsibe very laona dia miandry izay higadonany sisa. Na dia izany aza dia manao antso avo amin’ny fitondrana ny fivondronamben’ny Ampanjaka ny mba hampodiana ireo Kabeso ireo eto an-tanindrazana.

Nandritra ny fifampiresahana dia latsa-dranomaso mihitsy ny Ampanjakan’i Menabe izay niala tsiny, fa isaky ny miresaka io kabeson’ny Ampanjaka Toera io aho hoy izy dia tsy tanako ny foko ka izay no mahalatsaka ny ranomasoko. Ankoatra izany, mitohy hatrany ny fitsidihana ataon’ny Prinsesy Zoendreniny Elakovelo ato Menabe, izay miharo fanentanana ihany koa, ka eo ny fanentanana amin’ny ady atao amin’ny tay miparitaka, eo koa ny fanentanana amin’ny fanaovana vaksiny hiadiana amin’ny lefakozatra.