EDITO 27 Jolay – Atao an-tandrevaka hatrany ny tanora malagasy

Sôh’son

Minia mikimpy sy manao letrezana fotsiny sisa ny fitondrana amin’ny fanehoan-kevitra sy fandraisana fepetra samihafa. Niharihary tsara indray izany tamin’iny herinandro iny, tao anatin’ny fanadinana bakalorea sy ny taranja tena voatohintohina, toy ny tantara jeografia.

Manamafy ihany koa ny tsy fahaizan’izao fitondrana Rajoelina izao ny fandaminana rehefa manao zavatra. Efa nitranga izany tamin’ny fotoanan’ny fizarana ireo fanampiana tamin’ny endriny samihafa, hoan’ny ampahany kely tamin’ny vahoaka malagasy, nandritra ny krizy ara-pahasalamana taona 2020 – 2021 ireny. Midika ho tsy fahaizana mifehy raharaham-pirenena na tsy fahaiza-mitondra mihitsy izany. Ny mahavariana amin’izay anefa dia efa miditra amin’ny faha-5 taona latsaka izao no naha teo amin’ny fitondrana azy, ary efa niampy ny tamin’ny tetezamita 5 taona be izao ihany koa aza izany. Izany hoe, 10 taona naha teo amin’ny fitondrana kanefa, sady tsy hita ho mandray lesona no tsy mitombo ny traikefa amin’ny fahaiza-mitondra firenena.

Iaraha-mahita tsara ankehitriny ny an-tandrevaka amin’ny fikarakarana ny Lalaon’ny Nosy, izay i Madagasikara no hampiantrano azy amin’ity taona ity, ary hotanterahana amin’io volana aogositra io. Izao vao mody mikoropaka ny fitondrana sy ny eo anivon’ny ministera mamita ny asa handraisana ny lalao. Asa efa tokony hatramin’ny taona lasa no efa natao, iray volana mahery kely sisa vao mody mihetsiketsika. Ho vita an-tsakany sy an-davany tokoa araka ny nambarany ve? Mbola nasiana fanamboarana hatramin’ny hira faneva aza. Ny fampivondronana ny athleta malagasy handray anjara amin’izany aza kitoatoa be ihany. Toy izay ihany koa ny toerana anaovana fanomanan-tena. Mena-mitaha amin’ireo athleta hafa, toy ny avy atsy amin’ny Nosy Maorisy na La Réunion ny athleta malagasy. Iretsy farany dia fantatra fa nanomana volabe amina miliara maro ny mpitondra ao aminy hiatrehany ny athletany amin’izao Lalaon’ny Nosy izao. Efa niomana fatratra ihany koa amin’ny fanazaran-tena ireo athletany efa manodidina ny 450 ary mihevitra ny ho voalohany amin’izao Lalao izao izy ireo.

Miharihary eo anoloan’izany, ny lesoka lehibe amin’ny fikarakarana ny athleta malagasy. Raha misy ny vokatra tsara ho azon’ireo dia tena avy amin’ny heriny sy ny hambom-pony manokana, sy ny nataon’ny mpanazatra sy ny mpiandraikitra azy ireo, fa tsy an’ny fitondrana loatra. Sa rehefa mahomby ireo, dia hojapiana indray toy ny natao tamin’ny Barea? Atao an-tsirambina ny fikarakarana ny zatovo sy ny tanora malagasy tato anatin’izao fitondrana izao, ka tsy tsinjovina izy ireo raha tsy efa amin’ny fotoana mifanaraka amin’ny kajikajy politika fanaony hatramin’izay. Mitaky fanovàna lalina izany fomba fiasa izany.