TSY MANDRAY KARAMA NEFA …

Re hoe tsy handray karama fa hanompo firenena?
Sao dia fanodinan-tsaina, izay no tanjona kendrena?
Maro anefa no nahita sady tena nahatsapa,
Fa vao mainka nampiakarina ny teti-bola ao an-dapa!

Izany ve no mba mitsinjo ireo vahoaka efa mandady?
Aoka hihiratra ny maso dia valio hoe aza fady:
Atao inona ireo vola izay angonina sy giazana
Nefa hatreto,miharihary, tsy mitera-pahombiazana!

Ianao dia hita ho miletra tsy mijanona mihitsy,
Fa dia iza irery izany no tadiavina hitsitsy?
Ireny ianao mivoaka ireny, maka rivotra any andafy,
Volan’iza no ampasaina, mba lazao, teneno mafy!

Iretsy zanakao vatsiana manakaiky ny miliara
Fa tsy foinao ny hianarany eto Madagasikara,
Iza anefa no miantsoroka sy mivesatra an’izany,
Moa ve tsy ny malagasy fa ianao irery ihany?

Ianao tsy mahatombin-tsiraka fa dia tia mivoaka lava,
Sy mandanilany foana, tsisy antony mazava,
Izany no efa mahatezitra ny olo-maro eto an-tanàna,
Nefa ianao dia tsy miraika fa manohy ny filibana!

…Tsy handray karama hoe, kanefa mandra-pahoviana?
‘Ndeha fehezo re ny kibo, fero koa ny fandaniana.
Aza sarisary ivelany, io no enti-miparady,
F’efa leo anao daholo ireo vahoaka mafy ady!

TSIMIMALO (24-07-23)