LALAON’NY NOSY SY FIFIDIANANA

Lalaon’ny nosy ary koa fifidianana,
Ireo roa ireo izao no tena malaza.
Kanefa raha momba ny hoe fanomanana,
Dia toa tsy matotra fa resa-jaza!

Na vola ampiasaina na kianja ilalaovana,
Mbola baraingo amin’ny taranja sasany.
Tsy ampy ihany koa ireo karazam-pitaovana
Hoentin’ny maro iatrehana ny asany.

Ireo raha ny momba ny lalaon’ny nosy
No lesoka mbola hijerem-bahaolana.
Hivadika ho ondry indray ve ary ny osy,
Kanefa tsy misy afa-tsy iray volana!

Izay fifidianana koa mbola asa,
Fa tsisy mamiratra hatreto ny hoavy.
Efa be no nanenina ny amin’ny lasa,
Ka aoka ho mailo re ry mpianakavy!

…Raha mbola mamahatra ny « akoho fantàka »
Dia tena vao mainka ho ady saritaka.
Andao re haato amin’izay ilaiàka
Fa sady mpandainga no tena mpamitaka!

DADAN’i RIANA (22-07-23)