Morondava – Tsy afaka manao hetsika ireo fikambanana tsy « orange »

Rajepa

Mitaraina ireo fikambanana maro ao Morondava faritra Menabe, satria tsy afaka manao hetsika na fitadiavam-bola na kolontsaina rehefa tsy « orange » na koa manohana ny fitondrana. Maro ireo izay efa voasakana, tsy ny fikambanana eto an-toerana ihany, fa misy koa ireo fikambanana miankina amin’ny any ivelany: toy ny WWF, izay saika hanao carnaval ho fankalazana andro maneran-tany dia tsy nahazo alalana. Izao indray dia mitaraina ny filohan’ny fikambanana TIALONGO; izay fikambanana tsy manao politika, fa miantsehatra eo amin’ny lafiny sosialy, saika nikarakara hetsika kerimesy izay efa fataon’ny fikambana isan-taona mba hoentina hitadiavam-bola hanampiana ireo mpikambana sy hanaovana asa soa.

Tamin’ity taona ity dia ny vita Bacc no daty efa tapaka tamin’ny volana janoary: ny daty ny 21 ka hatramin’ny 23 jolay teo no kinasa hanaovana izany kermesy izany, saingy gaga ny rehetra fa nahazo antso ny tompon’andraikitra fa tsy azo atao koa ny kermesy nohon’ny antony tsy fantatra. Ahiahian’ny maro fa noho ny antony politika, satria ny filohan’ny fikambanana dia mpitarika ny PRO-Siteny; nefa dia mazava ny valin-tenin’Andriamatoa Mamy Clavier, fa tsy manao politika ny fikambanana, saingy malalaka kosa ny rehetra amin’ny firehana politika tiany misy: TIM; TGV; MAPAR; PRO-SITENY, sns… ny mpikambana hoy izy ary manaja tsara ny fahasamiafana fa ny tanjona dia ny fiarahana miantsehatra eo amin’ny lafiny sosialy sy ny fanampiana ny mpiara-belona.

Mitaraina sy maneho ny alahelony amin’izao tsy fanomezana alalana azy ireo hitady vola izao ny association TIALONGO ary mangataka fanazavana, satria dia efa vonona ny rehetra: ireo mpikambana sy ireo mpanohana ary ireo fitaovana ho hampiasaina rehetra hatramin’ny zava-pisotro, ireo ho sarihana amin’ny tombola toy ny omby; ka mitaraiana ireo mpikambana ny hoe: fa maninona no misy mahazo manao hetsika dia misy tsy mahazo. Tsy fombako hoy Andriamatoa Mamy Clavier no mampifangaro ny andraikitro, fa samy manana ny azy ny amin’ny fikambanana sy politika. Efa manana andraikitra aho any ampiangonana; manana andraikitra koa eo amin’ny fikambanana hoy izy, fa tsy mifangaro io ka mampalahelo hoy hatrany izy ny hoe ny vahoaka efa sahirana ka misy ny mba manao izay mahavita tokony ho ampian’ny fanjakana dia izao raràna izao indray, nefa vao tsy ela akory izay ny TGV nanao hetsika nahazo alalana. Koa miangavy ny TIALONGO ny mba hanaovana miralenta eo amin’ny fanomezana alalana amin’ny fanaovana hetsika eto Morondava, ny andro moa fialantsasatra rahateo mila mihetsika sy milavoly ny rehetra na ny fikambanana na ny vahoaka. Maro ny hetsika izay efa nofoanana nefa maro koa ny hetsika izay ho hita ato Morondava, ka ho hita eo hoe hahazo alalana ve sa tsia fa hatreto aloha dia hita fa tsy eken’ny fanjakana ato an-toerana ny hetsika rehetra raha tsy ireo mpanohana ny fitondrana no mikarakara azy, eny fa na dia ny eo amin’ny lafiny finoana aza dia hita izany fitanilana izany eo amin’ny tompon’andraikitra, satria ny FJKM teo tsy nahazo alalana raha nikasa hanao diabe tamin’ny jobilin’ny mpitandrina; nefa ny katolika dia nahazo nanao diabe tamin’ny fitsenana ireo Eveka nandritra ny fanamasinana ny Eveka mpanampy teo.

Koa manao antso avo amin’ny mpitondra eto Morondava ny filohan’ny association TIALONGO ny hanomezana azy daty, mba hahafahan’ny fikambanany manao hetsika fitadiavam-bola satria efa maro ireo fandaniana efa natao, ny mpikambana rehetra koa efa vonona ary takiany ny tsy hisian’ny fanavakavahana eo amin’izay fanaovana hetsika izay. Raha nanontaniana ny Prefet dia nilaza fa tsy hoe tsy nanome alalana hoy izy fa mbola tsy namaly.