Akany Avoko Ambohidratrimo – Nahazo fanampiana avy amina Malagasy monina any ivelany

Isambilo

Nahazo fanampiana avy amina Malagasy monina any ivelany ny sabotsy teo ny Akany Avoko eny Ambohidratrimo, tonga nanolotra izany teny an-toerana Ramatoa Sahondra Rafara sy ny mpiara-miasa aminy eto an-toerana, mpandray kosa ireo ankizy mpianatra, sy mpanabe, notarihan’ny taleny Ramatoa Razafiarisoa Ivelo Hanta. Vary, fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra, akanjo isan-karazany, sakafo maivana na gouter, ho an’ireo ankizy miisa 200 mahery beazina ao amin’ity Akany ity, no natolotra tamin’izany, ny ampahan’ny fanampiana voalohany natolotra ho an’ireo ankizivavy tezaina ao Ambohidratrimo, fa ny ampahany faharoa kosa nomena ireo ankizilahy beazina eny Bevalala Antananarivo Atsimondrano. Ny fitsarana no mametraka ireo ankizy tezaina ao amin’ity akany ity, ankizy tratra ny herisetra samy hafa, na tandindonin-doza noho ny antony samy hafa teny anivon’ny fiaraha-monina izy ireo, no raisin’ny Akany Avoko, izay miankina amin’ny FFPM : Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara. Ilain’ny akany tokoa ny tolo-tanana toy izao hoy ny tale satria tsy mbola mahavelontena izy ireo. Zavatra efa fanaony kosa ny fanomezana toy izao isaky ny fandalovany eto an-tanindrazana hoy ny mpanome : Ramatoa Sahondra Rafara.