Filoha Ravalomanana tany Frantsa – Mandray ny tsikera ary manitsy ny tsy mety

Isambilo

Namelabelatra ny fandaharam-potoanany ho an’ny fifidianana filohampirenena ho avy amin’ny 09 novambra ho avy izao, sy mahakasika ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny, ny filoha Marc Ravalomanana, filoha nasionalin’ny antoko TIM, sady rodoben’ny mpanohitra RMDM tany Frantsa ny sabotsy teo, raha nihaona tamin’ireo diaspora Malagasy monina any Frantsa ny tenany. Nisongadina tamin’izany fa: “Ravalomanana 2002 ity fa tsy ilay nandefitra tamin’ny 2018 intsony”, hoy izy. Izany hoe: tsy handefitra amin’ny mety ho hosoka sy halabato intsony izy amin’io fifidianana ho avy io.

Nasongadiny koa fa: “mila miasa miaraka tsy midongidongy, mila vonona mandrakariva, mila sahy, mila mitaky ny marina sy ny rariny. Rehefa mijoro ho fitaratra ny eny ambony, dia manaraka ho azy ny eny ambany. Tsy hananana havana ny fitantanana ny Firenena, izay soa sy tombontsoan’i Madagasikara no ilofosana. Efa manana ny ampy aho ary mahay mionona amin’izay ananako. Tsapako fa nisy ny tsy nety ary noraisiko ny tsikera, ka hahitsiko ireny. Mila mahay mandray tsikera ny mpitondra ary mahay sy manaiky hiara-hiasa amin’izay vonona hampandroso firenena. Asa maika 100 andro: sakafo – asa angôvo sy rano – filaminana.”

Ny tohiny dia nambarany fa hovelabelariny amin’ny fotoana mahamety azy ao anatin’ny programa MAP+. Hisy site internet izay hisokatra hahafahana manaraka ny momba ny kandida, sy hanarahana manontolo ny fandaminana rehetra momba ny fampielezan-kevitra, rehefa hanomboka izany.