IZA RE ?

Iza re no mbola hifidy ny mpandainga toa anao
F’Imahakà sy Ikotofetsy aza efa indreo fa niova lasy.
Sao dia efa tonga ny ora ry tsy misy kalitao
Mba hiatoanao amin’izay fa tena leo anao ny gasy?

Iza re no mbola hifidy ny mpandainga toa anao
Fa hatramin’ireo mpanolotsaina no efa tena « migorasy »?
Potika ny firenena, mila olom-baovao
Fa tsy ny gasy mpiova tampoka ho vazaha an-taratasy!

Iza re no mbola hifidy ny mpandainga toa anao?
Angamba sisa dia ny ampahany amin’ireo ilay hoe bebasy.
Maro tamin’ireo nanohana no efa miomana handao,
Satria ianao efa mazava fa namitaka ny gasy!

Iza re no mbola hifidy ny mpandainga toa anao,
Fa be no romotra tanteraka ary tena « niova pasy ».
Rainilainga o! mihevera f’efa tena lera izao,
Ampy izay ny famitahana ny vahoaka malagasy!

DADAN’i RIANA (21-07-23)