HO ANAREO MANODIDINA AZY

Moa jamban’ny vola ianareo ry minisitra
No dia mangina tsy mioman-kanoro?
Ireo olona hendry efa indreo mihisitrisitra
Raha vao ny deba no indro mijoro!

Ny zava-dazainy, tsy mahafinaritra,
Be no mivaona mankany amin’ny tsy izy.
Mazàna no tena mivoaka ny faritra,
Fa toa mivadika ho resak’ankizy!

Voamarika ho tsy ampy ny fahalalany
Ka maro ireo olona no efa sorena.
Santionany ny amin’ny nanambaràny
Fa Ralaimongo dia maderamena!

…Ka mba mijoroa re ry mpanolotsaina,
Tafio lamba landy ny adalan’ny tena
Ary areno malaky ny filoha hajaina,
Fa tena efa henatry ny firenena!

IRINA HO TAFITA (20-07-23)