NY MBA NANDRASANAY VAHOAKA

Ny fiekena sy fitsorana, izay no tena mba nandrasana,
Kanjo hoerahoera hatrany no mba ventin’ny kabariny.
Fitondrana efa madiva ny hivarina any am-pasana,
Nefa mbola lany andro manatsara indray ny sariny!

Tsy nitsiry tao an-tsainy izany hoe hanao fifonana,
(Na dia hody rariny aza irony heloka ibabohana!)
Toa vao mainka mbola ataony izay hisian’ny fifandonana.
(Ny bebasy angamba ny azy no azony antoka hanohana!)

Ankoatr’izany dia nampiany laingabe marivo tototra,
Ary nisy nifanohitra ireo zavatra nambarany.
Maro anefa no efa leo ka tena hita ho tsy rototra
F’efa miandry, tena miandry izay ho kiririoka farany!

Raha fehezina dia tsotra: tsy hainy ny manetry tena,
Fa ny hany mba kapoakany dia ny mieboebo hatrany,
Ka ny teninay dia ‘zao ry ilay nivadi-panekena:
Ianao tsy gasy fa vazaha ka ‘ndeha misinda lavitra any!

IRINA HO TAFITA (22-07-23)