Mitohy ny fahafaham-barakan-dRajoelina – Mitombo avo 2 heny andro aman’alina ny fahatapahan-jiro

Andry Tsiavalona

Raha ny fihetsika sy ny fitsabahana ary ny fanambarana ataon’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina amin’izao fotoana izao dia toa mampiseho, fa manam-pahaizana sy mahafehy ny sehatra rehetra izy. Rehefa tena mandinika sy mandalina anefa dia mifanohitra amin’izany ny tena zava-misy, tsy mahafehy ny fitantanam-panjakana ny filoha ankehitriny.

Nahatonga resabe sy fanamarihana nataon’ny olompirenena, ny momba ny fandaharana manokana nolazaina, fa fitafàn-dRajoelina Andry Nirina tamin’ny vahoaka Malagasy ny alahady lasa teo. Rehefa halalininqqqqqqqqqqqqa ny valim-panontaniana rehetra napetraky ny mpanao gazety taminy dia na fialana ilany na fanilihana andraikitra na fanasongadinan-tena no nataony. Anisan’ny velirano nataony ny hanafoanana ny delestazy amin’ny alàlan’ny fampiakarana ny famokarana herinaratra ho avo 2 heny amin’izay vitan’ny mpitondra rehetra nifandimby teo alohany. Ny iainan’ny vahoaka manerana ny Nosy anefa dia mitombo avo 2 heny andro aman’alina ny fahatapahan-jiro. Ny alahady teo anefa dia nanome 3 herinandro ny minisitry ny angôvo indray Rajoelina Andry Nirina hanafoanana ny delestazy. Raha izany dia eo am-pelatanany avokoa ny antony ara-teknika sy ara-pitantanana tsy mahafoana ny delestazy matoa sahy nanome baiko hentitra toy izany izy. Namaly anefa ny minisitra fa tsy ho foana tanteraka ao anatin’ny telo herinandro ity tranga ity fa fampihenana izany tsikelikely no azo hatao. Midika izany fa manalabaraka tena Rajoelina Andry Nirina satria miteninteny foana ary tsapa avy amin’ny valinteniny, fa tsy hainy ary sehatra tsy voafehiny nandritra ny taona niainany ity sehatra ity.

Mbola nitombo ny fahafaham-barakany raha niteniteny foana izy, fa efa manomboka ny asa any Ivolobe sy Sahofika ary ny fametrahana ireo takelaka famokarana angôvo azo avy amin’ny masoandro any amin’ny distrika telopolo mahery satria mbola afaka dimy taona vao tena ho voavaha ny olan’ny fahatapahan-jiro raha tokony ho foana tato anatin’ny dimy taona nitondrany araka ny velirano nataony. Ho fitsinjovana ny zanany mianatra any an-dafy, hono, no antony nangatahany ny zom-pirenena frantsay satria voatery mangataka “visa” isaky ny enim-bolana izy ireo. Midika indray izany fa na tsy fahaizana na inona na inona (ignorance totale) na fanambaniana ny Malagasy ka azo rebirebena sy azo lementsaina ary azo lalaovina ny fihetsehampony amin’ny filazana ny fitiavan-janaka.

Tsy mahafehy ny sehatry ny fampianarana Rajoelina Andry Nirina matoa nisy indray ny “fuite de sujet” tamin’ny fanadinana bakaloreà sy ny fiatrehana indray ny taranja nitrangan’izany (repêchage) ny zoma teo, toy izay nitranga tamin’ny bakaloreà ny taona 2019. Tsy ekeny, hono, raha atao takalon’aina ny ankizy Malagasy, ka tsy maintsy handraisana fepetra hentitra ireo izay niketrika ny famoahana ny lazaadina mialohan’ny fotoana. Ahiana ho toy ny tamin’ny 2019 indray ny tohin’ity trangan-javatra manapotika ny Firenena ity.

Toa niseho ho olona manam-pahaizana manokana momba ny toekarena ihany koa Rajoelina Andry Nirina raha nanome tarehimarika momba ny tombony hiditra amin’ny mpitatitra rehefa vita ny làlambe migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Raha tsara, hono, ny Làlampirenena faha-2 dia ora enina na fito no hanaovana ny 360 kilometatra, kanefa rehefa vita ny làlambe migodana dia ho ora roa sy sasany no hanaovana izany ary malalaka tsara ny dia mandroso sy miverina ao anatin’ny indray andro ho an’ny mpitatitra. Ny valopolo kilometatra ihany no ho vitaina hatramin’ny faran’ny taona ity lalambe migodana ity, toa tsy ho vita anefa izany. Tsy azon-dRajoelina Andry Nirina natao koa ve ny namoaka tarehimarika momba ny fatiantoky ny mpitatitra hatramin’izay fotoana izay raha iraikambinifolo na roambinifolo ora no nampitohizana an’Antananarivo sy ny Renivohitry ny Toekarena (Toamasina)?

Tsy mahay manetry tena mihitsy Rajoelina Andry Nirina, ka mirehareha sy matikambo raha nilaza fa hihoatra lavitra noho izay Lalaon’ny Nosy farany natao tany Maorisy na ny fikarakarana na ny fotodrafitrasa izay hatao eto Madagasikara. Fatiantoka ho azy tokoa raha tsy natory andro aman’alina izy niketrika ny “Hira Faneva” sy ny “Sary Famantarana” (Logo) raha toa ka ho latsa-danja izay hatao eto Madagasikara. Toa hitsefotra anefa ity Lalaon’ny Nosy ity, satria nandrahona ny Komity Olympika mikarakara izany, fa tsy “manarapenitra” ny fanomanana ny lalao eo amin’ny lafiny rehetra. Mampiseho ny maha izy ny tena sy ny tsy fianteherana amin’ny hafa ny “fanana hambo”, fa ratsy sy mamotika ny fiainan’ny tena ny “matikambo”.