EDITO 25 Jolay – Miala Rajoelina. J- 46 Mpitondra tsy manaiky ho diso sy tsy mahatsapa tena

Sôh’son

Nazava ny tenin’ny mpampianatra, ny amin’ny lesoka lehibe nitranga tamin’ny fanadinana bakalorea tamin’ny fampianarana ankapobeny teo, izay nifarana tamin’ny zoma. Teo amin’ny taranja tantara-jeografia no tena niseho ny lesoka izay nisian’ny fisavoritahana tanteraka. Fahasahiranana sy fijaliana hoan’ireo mpiadina niatrika izany sy ny ray aman-drenin’izy ireo ihany koa ny zava-nitranga.

Efa hita izao, raha tena mandinika lalina, fa tsy mety ny fepetra noraisin’ny fanjakana tompon’andraikitra, dia mbola natao ihany. Tsy fahalalana ilay taranja sy ny lanjany no nahatonga ireny fanapahan-kevitra sy fepetra noraisina ireny, na ny fampiandrasana ny mpiadina sy ny fanomezana ny lazaadina fiandry na ny famerenana indray azy ireo hanao izany ny zoma maraina. Tsy mety velively izany amin’ny 4 ora hariva izany vao nanome ny lazaadina fiandry kanefa io indray mbola anaovana safidy hoan’izay te hamerina ny azy ka isafidianana izay naoty tsara. Fepetra tena tsy mahomby fa hiteraka olana io. Tsy mahatakatra izany anefa ireo nivory tao amin’ny filankevitry ny ministra tao ary mbola nanamafy ny fepetra noraisin’izy ireo ihany koa i Andry Rajoelina ny alakamisy 20 Jolay teo. Tao anaty « tafatafa » fohy nataony izay ihany koa no mody nihatsaraivelatsihy, amin’ny resaka mampandry adrisa indray, amin’ny tokony hitsinjovana ny zaza malagasy, fa tsy somparana. Nazava ny heviny, tsy ny ministra na ny fitondrana no tomponandraikitra amin’ny fivoahan’ny lazaadina, fa sompatra tsotra izao. Anisan’izany, raha nosoritany ny ao amin’ny ofisin’ny bakalorea. Iza anefa no mampiasa an’ireo? Moa ve tsy ny tomponandraiki-panjakana miainga any amin’ny ministra, eo ihany koa ny mpitandro filaminana manara-maso ny fitaterana sy ny famoahana ny lazadina ambara-pahatonga any amin’ny foibem-panadinana? Miharihary fa ny fanjakana no tompon’andraikitra.

Maneho indray ny tsy fahombiazan’ny fitondrana Rajoelina ireny tranga ireny, soa ihany fa efa 46 andro (J- 46) sisa ipetrahany eo amin’ny fitondrana dia hametra-pialana izy, fa raha tsy izany, hitohy ho potika hatrany ny fampianarana eto amintsika. Ary raha tena mahatsiaro ho tomponandraikitra ireo, indrindra ny ministra koa, dia mametra-pialàna avy hatrany, fa tsy miezaka mitady izay fototr’izao lesoka izao. Tsy fahafehezana ny andraikitra no anton’izao fikorontanana teo amin’ny taranja tantara jeografia izao. Eo ihany koa ny tsy fandraisana lesona satria efa nitranga ny olana tamin’ny lazaadina ny taona 2019. Tsy fahaizan-draharaha izany. Ny fandraisana fepetra ihany koa dia tena « tsy mamely » araka ny fomba fiteny. Dia ahoana izao ny momba ireo mpianatra voaendaka, izay tsy tao an-tsain’ireo tomponandraikitra miaraka amin’i Andry Rajoelina, ny fitsinjovana sy ny vahaolana ho azy ireo? Avela fotsiny amin’izao ve? Ary mihatsaravelatsihy izy sy ireo minisitra tomponandraikitra raha hoe mitsinjo ny mpianatra izany, fa diniho, tsy nasiany resaka na kely akory aza ireo mpianatra teny amin’ny Oniversite mandray vatsim-pianarana izay very vola teny amin’ny paositra. Tsy nisy nihaino ny fitarainan’izy ireo akory ireto olona miseho mpandray fepetra ireto. Aoka hiaiky rehefa tsy mahay sy tsy mahafehy ny andraikitra.