SAHY IANAO

Sahy ianao raha mbola hiverina hirotsaka,
Fa ny anay dia teny tsotra sy mazava:
Tsy azo ekena intsony ny olona kapotsaka,
Izay namotika, nanimba sy nandrava!

Tsy azo ekena ny hamerenana eto indray
Ireo lainga maro sy karazam-pamitahana,
Ary ianao izay ompikelin’ny frantsay,
Mialà malaky f’ampy izay ny fanjanahana!

Sahy ianao raha mbola hiverina hirotsaka
Ka hamerina eto indray ireo hagegena,
Ireo najoro izao dia tapitra nihotsaka,
Tena potika sy lo ny firenena!

…Ny fialanao ihany re no tena andrasana,
Ry mpitondra efa tsy gasy toa anay.
Aza miandry ny haterina any am-pasana,
Fa mialà am-boninahitra amin’izay!

TSIMIMALO (20-07-23)