TSY MAINTSY MILIARIDERA ?

Ireo izay manam-bola hatrany no hany afaka hofidiana?
Vola fa tsy foto-kevitra, izay no tena amboniana,
Ka izay manana miliara, ireo ihany no ekena
Na dia misy tena donto sy tsy manam-pahendrena?

Ireo izay manam-bola hatrany no ekena hifaninana?
Efa fantatra mialoha izay ho valim-panadinana,
Fa izay « mahakolikoly » ny komity sy mpitsara
No azo antoka handresy sy hibata ilay amboara!

Ireo izay manam-bola hatrany no hany hitondra firenena?
Ny traikefa, ny fahaizana dia odiana tsy jerena?
Tena atao an-joron-damba na ny saina na fanahy
Satria ny vola hatrany hatrany no ilay hoe « maha-rangahy »?

…Very ianao ry firenena raha izany no ampiharina!
Dia ahoana ireo mahay, ireo olon-kendry sy olo-marina?
Angaha voatery ho mpanam-bola ny olona tahaka ireny,
Sa natao hitazam-potsiny fa ny vola no miteny?

IRINA HO TAFITA (13-07-23)