ILAY AKOHOLAHY FANTAKA !

Natahotra mafy ny akoholahy fantàka
Ka niantso mpanohana, niantso mpitehaka.
Tena natahotra ho afa-baraka,
Satria efa imbetsaka no nisanehaka!

Indreo fa nalainy ary nokaramainy
Ireo olo-nambara fa hoe tsara vintana:
Tangalamena sy ireo notsongainy
Toy ireo be girady ary koa ny be kintana!

Hatramin’ny fidiran’ny akoholahy fantàka
No efa namboarina ho manara-penitra.
Ankoatran’izany dia indro ilaiàka
Fa nievotra ery sy somary toa jenitra!

Saingy rehefa nohatonina akaiky,
Nofakafakaina ny zava-boalazany,
Dia tena hita ho mahatsikaiky
Fa maro no diso, manetry ny lazany!

…Nefa dia izay ilay akoholahy fantàka:
Mpitsaingoka, avy eo dia manao tari-dositra!
Tena afangarony ka mahavàka
Ny hoe « be ronono » sy ny atao hoe « vositra »!

TSIMIMALO (18-07-23)