FILOHA VAZAHA ?

Ry havan-drehetra o! avia manaraha
Raha mitovy ny antsika ny tadin-dokanga.
Tsy ekena mihitsy ny filoha vazaha
Fa ny gasy dia tena tsy lany olo-manga!

Na mpiasam-birao na koa mponina an-tsaha
Dia meteza hivondrona hiteny mazava,
Fa tena tsy ekena ny filoha vazaha
‘Zay nanimba, namotika sady nandrava!

Ny ra malagasy tao aminy angamba
No efa nivadika ho volomboasary,
Ka dia ahirato ny maso, aza jamban’
Filoha vazaha efa tena fanary!

…Meteza hisitrika dia miataha
Ry mpandainga, mpamitaka, mpampifotetaka.
Tsy azo fidiana ny filoha vazaha,
F’aza mbola mikiry ny hanao tandrametaka!

DADAN’i RIANA (18-07-23)