Rajoelina Frantsay – Mendrika sazy mafy ny famadihan-tanindrazana goavana nataony hoy ny RMDM

Helisoa

Manoloana ny valandresaka nataon’ny filoha Andry Rajoelina ho an’ny vahoaka Malagasy ny alahady alina lasa teo, betsaka ny fanehoankevitra nataon’ny mpanao politika sy ny olom-pirenena, ka anisan’izany ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara: ny RMDM izay nitafa tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny foiben-toeran’ny antoko TIM, Bel’Air omaly. Nanambara ny filoha lefitry ny TIM faritany Fianarantsoa Tabera Randriamanantsoa, fa nasehon’i Andry Rajoelina fa tsy Malagasy izy fa vazaha. Tsy vitan’izany fa mbola manambany ny Malagasy, fa hoe 50 km an’Antananarivo fotsiny no miasa loha amin’ izany resaka zompirenena hafa izany, nefa ny Malagasy iray manontolo dia efa mahafantatra izany avokoa fa vazaha Rajoelina.

Ny mampalahelo dia notononiny ireo ray amandreny nitolona tamin’ny 1947 Ravoahangy, Raseta, Rabemananjara ary Ralaimongo fa hoe nangataka tamin’ny vazaha ho frantsay hono izy ireo. Fanambaniana ireo ray amandreny mpitolona izany. Hita koa i Andry Rajoelina fa mampiseho ny maha mpitondra didy jadona azy, satria teo daholo ireo mpitandro filaminana jeneraly. Ratsiraka aza hoy i Tabera Randriamanantsoa na miaramila aza tsy nanao izany rehefa niresaka tamin’ny mpanao gazety. Tsy toetsaina Malagasy izany fa avy any ivelany. Nantsoina indray ny mpanjaka. Ny Ampanjaka dia azy daholo ny vahoaka Malagasy, ireny moa dia nalaina teto Antananarivo fa tsy avy amin’ny fokony. Vazaha ihany izy amin’io satria mampizarazara ny Malagasy.

Rakotoamboa Jean Louis mpikambana ao amin’ny RMDM indray dia nanambara mazava, fa tsy mitombona ny fanambaràna nataon’i Andry Rajoelina, fa noho ny fianaran’ny zanany no antony nangatahany zom-pirenena Frantsay. Fomban’ny ray amandreny no mangataka visa de long sejour ary manome caution hiantohana ny zanany any raha toa ka hianatra any andafy, koa naninona izy no tsy nanao izany? Koa maninona ihany koa hoy Rakotoamboa Jean Louis no tsy ny zanany irery no nangatahany io zompirenena Frantsay io satria izy mbola nihevitra ny hilatsaka sy ho fidiana ho filohampirenena? Fantatr’i Andry Rajoelina tsara ny lalàna eto Madagasikara, fa tsy mahazo milatsaka raha tsy manana ny zompirenena Malagasy. Ka rehefa mangataka zompirenena hafa dia miala ny maha Malagasy anao araka ny lalàna ao amin’ny article 42. Tsy mitombona ny resak’i Andry Rajoelina, fa matahotra izy tamin’ny zavatra nataony tamin’ny tetezamita, satria nanjaka ny trafikana bois de rose tamin’izany ary navela hibanaka. Nanamora ny fanondranana bolabola izy tamin’ireny fotoana ireny, satria nanana fahefana feno izy tamin’izany hisakana raha tena niady tamin’ny fanondranana ireny harempirenena ireny ny tenany.

Ny senatera teo aloha Jafetra indray dia nanambara mazava, fa hita taratra tamin’ny famalian’i Andry Rajoelina ny mpanao gazety dia nametram-panontaniana hoe: hatraiza ny fahaizana sy ny atao hoe lenta itondràna ny firenena ankehitriny? Raha teo amin’ilay forme fotsiny dia amin’ireny olona manatrika ireny izay tonga hitehaka fotsiny dia nisy ny natao hampitahotra fotsiny toy ireo manamboninahitra jeneraly. Ireny dia mariky ny tsy fahatokisan-tena, ary rehefa izay dia hita taratra eo hoe hatraiza ny fara-fahaizany hitantanany ny firenena. Manoloana izany dia tokony handini-tena isika Malagasy, fa raha ohatra izao dia tsy lasa lavitra. Eo ny fitenenany fa diso ny tatitra amin’ny tambazotran-tserasera, ny mpitondra efa zatra kaonty Fako dia lasa tsy mahatoky ny zavatra marina intsony. Efa voa fanindroany isika izao, ka fanontaniana no hapetraka hoe mbola ho voa fanintelony ve isika raha mpitondra ohatra izao no mbola hipetraka eo? Fotoana izao ho an’ny rehetra handinihan-tena.

Ny marina tsy mba maty hoy ny filoha lefitry ny RMDM Faritany Toliara, Pasitera Edouard Tsarahame, na afenina toy inona aza. Misy olona miezaka hanafina ny marina fa izao dia mazava fa tsy maintsy mipoitra ny marina. Noho izany, miantso ny RMDM manerana an’i Madagasikara, satria efa mihàtra eto Madagasikara ny zavatra tsy tian’ny Malagasy, izany hoe: entin’ny Frantsay amin’izao fotoana izao. Miantso ny Malagasy sy ireo mpitandro filaminana tsy natao hitehaka ihany koa. Tsy misy lalàna 1 cm na 2 cm fa rehefa lalàna dia lalàna. Raha tsy andray andraikitra ianareo dia hijoro ny vahoaka Malagasy. Miantso ny mpanao politika eto amin’ny firenena. Andao hiray fo sy hiray hevitra satria tanindrazana iombonana i Madagasikara. Miantso ny mpiasa rehetra, fa ianareo no nanankinan’ity firenena ity ny ho aviny. Sahia mijoro fa efa vazaha izao no mitondra antsika. Fanambaniana ireo razana nanao vy very ny ainy raha vazaha no mitondra ny firenena. Koa hanokana fotoana iray isika tsy ho ela, hoentina hanoherana ny fanjanahantany eto amin’ny firenena.