ILAY FILOHA TSY GASY INTSONY

Filoha tsy gasy intsony ve no mbola sahy mampanantena
Fa hiverina amintsika iretsy nosy manodidina?
Asa ianao raha mbola hino ny laoranjy ho lasa mena,
Raha tsy hoe dia efa vendrana na koa efa sain’angidina!

Filoha tsy gasy intsony ve no mbola sahy mampanantena
Fa hoe herinandro telo i Jiramaty dia hifarana?
Andao hiarahana mitazana raha ny maina ho lasa lena
Raha ny haizina hazava, ho tapitra ny fangalarana!

Filoha tsy gasy intsony ve no mbola sahy mampanantena
Fa ho firenena sangany Madagasikarantsika?
Asa ianao raha mbola ho babony amin’ny lainga sy hafetsena
Fa hatreto isika aloha dia rambony amin’i Afrika!

…Izahay tsy mino intsony ity miseho mbola hampievina
Ireo maty aroa am-pasana efa ho dimy taona izao,
Fa rediredy ny toy izany raha ny hoe efa nalevina
No hatsangany indray ho amin’ny fiainam-baovao!

Tsy zanak’Andriamanitra io fa tena sefon’ny mpandainga
Ka dia mendrika haato fa mpitondra tsy mahay.
Ny lamasininy, jereo fa efa maty sy tsy miainga
Sady izy rahateo tsy gasy intsony toa anay!

IRINA HO TAFITA (18-07-23)