Miala Rajoelina. J- 51 – Manome leson-dratsy hatrizay, mikolokolo ny anjakan’ny tsy rariny

Sôh’son

Miha-manatona ihany ny fotoana tokony hialan’ny filoha Andry Rajoelina eo amin’ny fitondrana raha mirotsaka hofidiana izy, 51 andro sisa, na J- 51. Ao anatin’izany, mitady hanakontakona indray ny marina mila mipoitra tanteraka ho fantatry ny vahoaka malagasy ny fitondrana Rajoelina sy ireo mpomba azy toy ny IRD. Adihevitra tanteraka efa ho iray volana mahery izao sy mbola hitohy ny momba ny fizakan’i Andry Rajoelina ny zom-pirenena frantsay nanomboka ny 2014.

Tsotra sy mazava fa nisy ny famitaham-bahoaka nataony tamin’ny taona 2018 no mankaty. Tsy nampahafantarina ny vahoaka Malagasy, fa ny Malagasy izany tsy hifidy vazaha hitondra azy. Tsy hanome fahefana ny olona saribakolin’ny frantsay ny vahoaka malagasy na dia anaovana teny mampandry adrisa sy fampanantenana samihafa aza. Mbola saiky ny Malagasy rehetra, ankoatra ireo vitsivitsy efa nandadilady te ho vazaha frantsay, no manome hasina tanteraka sy manàja fatratra ny rà nalatsak’ireo tia tanindrazana malagasy sy namoy ny ainy hiady amin’i Frantsa mpanjanatany sy hanilika ny fanjanahantany teto Madagasikara. Ireo maro an’isa ireo dia tsy manaiky velively ny hisian’ny mpitondra, indrindra fa filohan’ny Repoblika, mizaka ny zom-pirenena frantsay, fa famadihan-tanindrazana tanteraka tsotra izao izany. Mazava loatra, fa famadiahana tanindrazana tsotra izao ny nataon’i Andry Rajoelina “haute trahison”. Mitaky sazy henjana ho azy izany, fa tsy vitan’ny resaka sy adihevitra fotsiny ka arirarira toy ny ataon’izy ireo. I Andry Rajoelina aza sahy niteny mihitsy, rehefa avy nandrirarira resaka tamin’ny mpanao gazety ny alahady teo, fa tokony hifarana eo izany resaka izany. Tsy azon’ny sain’ny olom-pirenena saro-piaro amin’ny taniny ekena izany.

Raha izany no heveriny, dia kolokoloin’izao fitondrana Rajoelina izao sy ireo mpomba azy hatrany ny anjakan’ny tsy rariny, ny tsy hitsiny, ny tsy fahamarinana eto Madagasikara. Fositra ho an’ny firenena izany ary mampidanadana ny varavarana hizorana hatrany hankany amin’ny tsy firaisankina sy ny tsy fandrosoan’ny firenena toy izao. Haka ohatra iray miharihary amin’izany mitaha amin’izao tranga momba an’i Andry Rajoelina izao. Ny tranga momba an’ilay mpiasa tao amin’ny minisiteran’ny fahasalamana, ka namoaka ny zava-misy amin’ny tsy fahamarinana tamin’ny fitantanana tao. Niakatra fitsarana izy momba izany ary tsy namelana raha tsy voasazy, satria nambara fa nanàla baraka ny fanjakana. Fahamarinana anefa no navoakan’io mpiasa io, fa nosaziana izy. Mainka fa ny fitaka ataon’i Andry Rajoelina amin’ny vahoaka malagasy izao? Tsy tokony ho vitavita ho azy izany, fa hanome lesona ratsy dia ratsy ho an’ny tanora malagasy lazaina fa hoavin’ity firenena ity sy ny taranaka any aoriana. Ny leson-dratsy nomeny hatramin’izay aza, raha tsy misy fepetra raisin’ny olom-pirenena, ahiana tanteraka hitsaran’ny taranaka any aoriana ny Malagasy rehetra miaina amin’izao fotoana izao.