EDITO 21 Jolay – 1 euro : 5.000 Ar – Mbola maneho ny tsy fahaiza-mitondran-dry Rajoelina

Beharo

Tantsaha vitsivitsy avy niasa tany Ambatomanoina Anjozorobe sy mponina avy any Talata Volonondry, no tafaresaka tamin’ny mpanao gazety momba ny sandam-bola malagasy raha oharina amin’ny vola Euro sy dollar. Gaga sy talanjona ry zareo nahare fa mahatratra 5000Ar eo ny euro iray amin’izao volana jolay 2023 izao.

Tsorina hoy izy ireo, fa tamin’ny vanim-potoana nitondran’ny filoha Marc Ravalomanana, mbola latsaky ny 3000 Ar izany sanda izany, ka mbola nahafa-po tokoa raha oharina amin’ireo vidin-javatra fampiasa eny an-tanimbary sy any am-bala ary mbola azo antoka ny vidin’entana ilaina andavanandro, ny vary 1600 Ar ny kilao, ny menaka 2800 Ar ny tavoahangy, ny atody mbola 300 Ar ny iray ohatra, ary ny fitaovana vaventy dia tsy olana mihitsy tamin’izany. Mbola heno koa tamin’ny fihaonan-dRajoelina tamin’ny mpanao gazety farany teo, fa raha tsy izy hono no teo, dia efa tafakatra iray alina ariary mihitsy io sanda io, nefa dia ny tsy fahaizan’izy ireo mitantana ny ara-bola sy ny ara-barotra mihitsy no mahatonga izany.

Mazava fa tsy fahaiza-mitondra ny firenena mihitsy, ireny valinten-dRajoelina ireny, satria tsy hainy ny misoroka izany fisondrotam-bidy izany, fa dia valinteny fiarovan-tseza fotsiny hatrany no nataony, ary ireo tehaka sy dera azony manoloana ireo izay nasaina dia fanehoana ny maha mpisolelaka fotsiny ihany koa sao very seza koa rahatoa ka tsy lany eo Rajoelina amin’ny fifidianana na mitsingidina. Tsorina hoy ireo tantsaha, fa mbola hafa ny tamin’ny andron-dRavalomanana, satria ny biby fiompy na ny rononon’omby fotsiny aza miampy ireo zava-maniry samihafa dia tena mahavelona tsara tokoa, ny vary rahateo tsy afarana, fa ny vokatra eto ihany dia ampy, fa taty aoriana dia lasa fanaovana fanentanana, fampielezan-kevitra na propagandy indray, atao fanampenam-bava sy tampimaso ny vahoaka sahirana koa.

Raha fintinina dia tsy hitan-dRajoelina ary tsy fantany mihitsy izay laharam-pahamehana amin’ny vahoaka, fa dia ny mahavazaha tapany azy hatrany no aderadera. Maha-vazaha taratasy azy izay tokony hahavoasazy azy, satria famitaham-bahoaka, sy famadihan-tanindrazana goavana ny finiavana naka zom-pirenena Frantsay nefa nirotsaka ho filohampirenena.