MAHEREZA RE RY MPINO !

Raha vao mba mifoha maraina,
Inona no antenaina?
Hatramin’ny rano hatsakaina
No indro maina, tena maina!

Tsisy hoentina mahandro
Mandra-paharivan’ny andro.
Jiro tsy lazaina intsony
Fa manao ny sitrapony!

Izany izao no zava-misy,
Mahonena nefa indrisy
Fa dia eto isika mihafy,
…Tsy hitsoaka ho any andafy!

Saingy mitrakà hatrany,
Atsaharo ny tomany
F’ao anaty rahona ao
Misy ilay mijery anao!

Koa aza kivy mirosoa
Fa momba antsika anie Jesoa.
Meteza re mba hotantanany,
Dia ho aminao ny Fiadanany!

DADAN’i ZINA (17-07-23)