EDITO 18 Jolay – Miala Rajoelina. J- 53 – Mandiso tantara hatrany, tsy ao ny lentam-pahaizany

Sôh’son

Voarefy indray ny lentam-pahaizana amam-pahalalana mbamin’ny fomba fiheveran’i Andry Rajoelina, momba ny fitantanam-pirenena, taorian’iny « tafatafa » nataony ny alahady alina iny. Ankoatra ny teny tsy maintsy ambarany sy efa ampoizin’ny mpanara-baovao na ny olom-pirenena tsotra maro aza, dia teo ihany koa ny nahasorena azy. Betsaka mantsy ireo fanontaniana tsy novaliany mazava sy mahitsy, fa niolakolaka hatrany. Mazava loatra fa maneho ny toetrany ihany koa izany, toy ny tsy filazana tamin’ny vahoaka malagasy ny momba ny maha frantsay azy nialoha ny nirotsahany ho kandidà filoham-pirenena ny taona 2018.

Efa maro ny resaka sy fanamarihana nataon’ny olom-pirenena, fa ny tiana hosoritana kely eto, dia ny momba ny tantara. Milaza izy, fa tia tantara, kanefa hita ho tsy mahafehy izany. Rehefa miresaka tantara izy, dia misy hatrany ny mifandiso. Niresaka momba an’i Jean Ralaimongo izy kanefa ahiana ho tsy hainy tsara ny vanim-potoana nanamarika azy, fa ny hany nambarany dia ny momba ny fizakana ny zom-pirenena, izay mazava loatra fa mahakasika azy sy miteraka resabe amin’izao fotoana izao. Toy izay koa ny momba ireo mpitarika ny MDRM. Mbola saiky nodisoiny aza, efa nodisoiny mihitsy aza vao nahitsiny haingana, asa nisy nanoro azy aloha, ny momba ilay fitenenana hoe “mahita volana alohan’i Habib”. “Mahita biby alohan’ny volana”, hoy izy, izay vao nahitsiny. Mbola biby aza no teny re nambarany, fa tsy habib. Asa raha fantany koa aloha ny amin’i Habib?

Saiky mandiso tantara matetika rehefa miresaka izany i Andry Rajoelina. Toy izany, ny fanadisoany ny momba ny tantaran’i Rasalama maritiora. Samy nanamarika izany ny rehetra tamin’ny fotoana nanambarany izany. Ny fampiasany ny teny hoe “Plan Marshall” ihany koa, izay tena tsy misy idirany amin’ny zava-misy eto Madagasikara, sns… Raha amin’ny mpampianatra tantara jeografia, dia ratsy tanteraka avy hatrany ny naoty azony amin’izany fanadisoana tantara izany. Efa ratsy rahateo koa anefa ny naotiny amin’ny sehatra hafa omen’ireo mpanara-baovao, na ireo mpahay ny sehatra momba izany na amin’ny fitantanam-pirenena. Mety nahita fianarana ianareo, fa tsy natao hitondra, tsy mahay mitondra firenena, hoy ny mpanao politika iray avy amin’ny fanoherana. Mazava loatra, fa ratsy ny naoty azony amin’izany. Manamafy izay rahateo ny momba ny firesany ny alahady teo.