Filoha “frantsay” Andry Rajoelina – Fanambarana alahady 16 jolay 2023 hotronin’ny tafika malagasy ?

Ny Valosoa Vaoao

Araka ny vaovao farany dia nahazo fanasàna (etsy ambany) ireo jeneraly mpitari-tafika ho tonga eny Iavoloha androany alahady 16 jolay 2023, amin’ny 6 ora maraina, miaraka amin’ny fanamiana miravaka, hanatrika fandaharana an-tsary handraisan’ny filoham-pirenena anjara.

Etsy akaiky dia efa samy nahare ny olompirenena fa hanao fanambarana i Andry Rajoelina io alahady io ihany amin’ny 8 ora hariva, izay azo vinaniana fa mifandraika amin’ny raharaha mafana mikasika ny zom-pirenena frantsay nomena azy tamin’ny taona 2014.

Manao koninkonina ambadika inona prezidà? Inona no antony ilàny prezidà ireo jeneraly mpitari-tafika ireo hanohana izay fanambarany? Midika ve izany fa ho fandaharana ho amboarina mialoha ary ho avoaka ny alahady hariva? Dia samy hahita ny valin’ireo fanontaniana ireo rahariva.

*MESSAGE RECTIFICATIF*
FM : MDN
TO : CEMA – CEMAT – CEMAA – CEMMN
HVFC # CHANGEMENT D’EFFECTIF OFFICIERS GÉNÉRAUX INVITÉS À ASSISTER AU DÉBAT TÉLÉVISÉ DU PRM # AU LIEU DE 20 OFFICIERS GÉNÉRAUX LIRE 6 OFFICIERS GÉNÉRAUX # LIEU : PALAIS D’ÉTAT À IAVOLOHA # DATE : DIMANCHE 16 JUILLET 2023 # HEURE D’ARRIVÉE DES INVITÉS À 06H00 DU MATIN # TENUE : N°1 AVEC MÉDAILLE AU SAUTOIR (BARRETTE) # LISTE DES INVITÉS :
1) MDN: MDN, SG 2) EMA: CEMA 3) EMAT: CEMAT 4) EMAA: CEMAA 5) EMMN: CEMMN
# ET FIN