FILOHA TENA MALAGASY

Hijoro indray dia hikabary ingahy filoham-pirenena?
Mbola hilaza vandivandy sady hanamarin-tena?
Ny asa vita sy tsy vita, izany anie no hotsaraina,
Fa tsy hoe ny nofinofy ho fanodinana ny saina!

Raha vao nisafidy ianao ny ho vazaha frantsay?
Dia aminay, tsy gasy intsony, fa tsy vendrana izahay
Ka mbola hanaiky anao ho gasy, indrindra indrindra ho filoha,
Satria ny gasy dia fantaro f’efa olona mifoha!

Tamin’ny dimy taona lasa, nofitahinao ‘zahay,
Satria nafeninao anay fa hoe ianao frantsay,
Fa aza mihevitra intsony ny hanabadobado lava
Ry sokajin’ny laoranjy tsy fampiditra any am-bava!

…Hijoro indray dia hikabary ingahy filoham-pirenena?
Tsy ilaina intsony izany fa izao no fahendrena:
Mety ny mangorona entana dia mandeha mitsaitsaika,
« Tena gasy no ho filoha » , izay ny anay no mahamaika!

DADAN’i ZINA (12-07-23)