INONA NO TENA MAIKA ?

Tena olom-pirenena ve ‘nareo ry solombava?
Raha eny dia meteza hampiseho anay mazava
Fa tsy mendrika intsony ny hitondra firenena,
Ity ilay raikalahy mpandainga sy tsy misy fahendrena!

Tena mila atsahatra izy, tsy angatahina andro intsony,
F’efa hita fa tsy gasy na ny sainy na ny fony!
Ho azy, ny fitiavantena, izay no lehibe indrindra.
(Tena sain’ireo mpanjanaka no niampita sy nifindra!)

Sao dia efa tsangan’olona ianareo ry solombava?
Sao dia efa ny sokajin-jiolahy misaron-tava?
Fivoriana petatoko fikitihana lalàna,
Izay no maika, hoenti-miaro ny hagegena sy hadalana?

Sao tsy izay fa ny hanalana ity filoha eo amin’ny toerany,
Sy ny hoenti-mampitsahatra ireo lainga sy hoerahoerany?
Sao dia izay no tena maika, sao izay ry antenimiera?
Anareo anie ny baolina e! mijoroa f’izao no lera!

DADAN’i RIANA (11-07-23)