Fanjifana – Manonga, tsy takatra intsony ny vidin-javatra

Beharo

Manonga, tsy takatra intsony ny vidin-javatra amin’izao fotoana. Hita sy tsapa ankehitriny, fa tena mahantra tokoa ny vahoaka, raha ny akom-baovao teny Sabotsy Namehana Antananarivo Avaradrano no resahana, tamin’ny andro sabotsy tsena farany teo. Manahirana tokoa ny vidin’entana samihafa izay mba ilaina andavanandro ohatra, toy ny vidin-tsakafo dia efa tsy takatra intsony, valaka ny rehetra, tsy mahavita sakafo araka ny tokony ho izy, maraina, atoandro, hariva intsony, fa dia zara raha mihinana sisa.

Ny sakafo ho an’ny tokantrano iray ahitana olona 4 na 5 ohatra, dia voaporofo, fa raha tsy manana vola iray alina ariary isan’andro, dia kere fotsiny eny ihany satria ny vidim-bary 1,5 kg, hena antsasaky ny fahefa-kilao miampy fangarony, dia efa mitontaly 6000 Ar sahady, miampy ny vidin-tsaribao sy menaka ary vidin-drano, sira, siramamy, dia efa tsy takatra intsony, satria mbola eo koa ny saran-dalana sy ny vidin-javatra tsy ampoizina samihafa. Tsorina anefa fa na manana ny ampy na tsia ny tokantrano iray, dia samy nilaza teny an-tsena teny fa sahirana, ny mpivarotra koa mba hihinany sakafo dia voatery mivarotra ny entany ho lafolafo kokoa, voatery manondrotra hoy ry zareo, satria mba mitady izay hohanina isan’andro koa. Ny vidim-panafody ohatra hoy ny rehetra dia tsy takatra intsony ihany koa, lasa avo roa heny ny vidin’ny tany aloha, nefa ireo dokotera izay atonina ihany koa dia nanasondrotra ny saram-pitsaboany, ka mitarika ny rehetra hanondrotra izay mba fivelomany, ary dia lasa “cercle vicieux” mihitsy hoy ireo marobe tafaresaka tamin’ny gazety.

Tsy mba hitan-dRajoelina sy ny ekipany ny fahoriana toy izany hoy ny mpiara-monina, hainy ny mody manao tolotra etsy sy eroa atao fanampena-maso, nefa ny vahoaka marobe izay voafitaka nanomboka ny taona 2009, dia tsy asiana lanjany sy hajany mihitsy hatramin’izao vao nahavita fankalazana ny 26 jona izao. Mazava izany izao, fa raha tokantrano iray tsy manana fidiram-bola na anton’asa mazava, na koa very asa noho ireny 2009 ireny, dia ho simbasimba eny foana, ka hitarika ny olona ho ratsy fanahy indray, ka hampatanjaka ny kolikoly sy ny risoriso, ny halatra sy ny fisolokiana, miaraka amin’ny fitaka mibaribary ataon-dRafitondrana ao anatiny ao.