EDITO 13 Jolay – Miala Rajoelina. J- 58 – Mpitondra mpandainga sy mpampandry adrisa fotsiny sisa

Sôh’son

58 andro sisa: J- 58 dia hiala ny filoha Andry Rajoelina, mpitondra mpandainga sy mpampandry adrisa fotsiny, nandritra izay 5 taona latsaka nitondrany izay. Tsy afak’ olana izao fitondrana Rajoelina izao nandritra izay noitondrany firenena izay, noho ny fomba fitantanana nataony sy indrindra ny toe-tsaina sy ny fomba fiheverany ao anatin’izany. Ny manahirana dia ny vahoaka hatrany no mifafa kiho sy mitanty ny vokatry ny tsy fahaiza-mitondra firenena, fa tsy izy ireo miray loha anaty fitondrana. Ireo mantsy no olom-bitsy mitavana ny harena sy migalabona amin’ny volabe eto. Nataony nahita ny tsy fahita tato anatin’ny 60 taona tokoa ny vahoaka malagasy. Ankoatra ireo efa mahatsapa sy mahalala ny tena zava-misy marina, mbola hisy ampahana vahoaka ho voafitany ihany ve amin’izao efa fahasahiranana sy fahantrana lalina manjo izao?

Izao fitondrana Rajoelina izao, dia tsy miahotra ny hampiesona sy handainga hatrany amin’ny vahoaka, ary tsy miahotra mihitsy ny manasa ati-doha izay azony anaovana izany. Izao indray dia milaza fa hanamboatra lalana, ny Lalampirenena sy ny lalana eto an-drenivohitra. Raha tsy hiresaka afa-tsy ny eto an-drenivohitra, dia efa tsy misy afitsoka intsony ny fitondrana, na indrindra ny Ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra amin’izany resaka fanamboaran-dalana izany. Efa tsy tafavoaka intsony amin’izany izy ireo, fa iaraha-mahita tsara ny zava-misy. Fampanantenana nataony hatrany am-piandohana tamin’ny vao nandray ny toerana izany, kanefa zary famitaham-bahoaka izany ankehitriny, fa tsy nisy zava-banona teo amin’ny sehatry ny lalana. Tsy mbola potika toy izao misy ankehitriny izao ny lalana teto amin’ity renivohitr’i Madagasikara ity. Tsy hita intsony izay maha renivohitra azy raha eo amin’io resaka lalana io fotsiny. Tsy resahina intsony ny fahalotoana amin’ny fako mivangongo amin’ny sisin-dalana samihafa. Misy aza efa eny ambony fako no mandeha ny olona, ankoatra ireo mpivarotra akaikin’ireny toeram-panariana fako ireny, izay miharitra fotsiny ny fofona isan’andro, ohatra, toy ny eny amin’ny Petite Vitesse.

Efa tsy ho ela no hifarana ny fotoam-piasan’i Andry Rajoelina. Ny an’ny Ben’ny tanàna ihany koa tsy lavitr’izany. Inona intsony no ho vitan’izy ireo amin’ny resaka fanamboaran-dalana. Ny lalana teny Ambodin’Isotry aza efa am-bolana maro vao vita mainka fa ny lalana rehetra eto an-drenivohitra. Miharihary fa resabe mamita-bahoaka indray no atao ao anatin’izany. Efa re aza fa tsy manam-bola intsony izao fitondrana izao, ka inona indray no hoentina miàsa eo? Aleo miaiky ho tsy nahavita, toy izay mifamitaka eto. Efa ampy izay namitahana ny vahoaka izay ary feno ny kapoakan’ny vahoaka, amin’ity resabe nandeha farany momba ny fizakana zom-pirenena frantsay ity, io tranga io dia famadihana tanindrazana goavana nation-dRajoelina.