VOAFITAKA IZAHAY

N’inona n’inona ambara dia voafitaka izahay,
Satria tsy niomana hifidy olon’ny frantsay!
Ny anay dia gasy tena gasy, raha ahitsy: « gasy petaka »
No takianay ho filoha fa tsy vazaha mpampifotetaka!

N’inona n’inona ambara dia voafitaka izahay,
Na iza hilaza ny filoha ho « gasy reny gasy ray »,
Satria ny sainy efa nisidina ary lasana niriotra,
Tsy nijanona ho gasy fa nivadika ho « safiotra »!

N’inona n’inona ambara dia voafitaka izahay,
Raha nihevitra ny toa an’io ho gasy kinga sy mahay,
Satria rehefa nifandimby na ny taona na ny volana,
Dia mazava f’io dia « aotra » sy tsy manam-bahaolana!

N’inona n’inona ambara dia voafitaka izahay.
Tsy hoe mivoady, sanatria, kanefa kosa tena fay,
Fa raha izay io sy ny toa azy no hikiry mbola hilatsaka,
Dia tsy mendrika intsony fa « mpandainga » sy « mpitsatsaka »!

TSIMIMALO (06-07-23)

• Mpitsatsaka=tricheur