Mishah Rasolofo – Simba ny foto-pisainana eto amintsika, hiverina hampianatra eny ifotony ny PFSCCM

Isambilo

Mijoro amin’izao fotoana ny PFSCCM : Plateforme de la Société Civile pour le Changement de Madagasikara, na vovona fiarahamonim-pirenena ho an’ny fanovana eto Madagasikara, tarihan-dRamatoa Mishah Rasolofo. Vovonana firaisamonim-pirenena efa misandrahaka eto amin’ny Nosy, neutre na mijanona ho hery afovoany ary mipaka amin’ny vahoaka eny ifotony ny asany. Simba ny mentalité na ny foto-pisainana eto Madagasikara ankehitriny, anisan’ny hataon’ny PFSCCM ny hiverina hampianatra eny ifotony, hanarina izay foto-pisainana simba izay. Hery afovoany ny PFSCCM, satria raha tsara ny ataon’ny mpitondra dia mitehaka amin’izany izy ireo, fa raha ny mifanohitra amin’izay, mitondra tsikera ho fanitsiana ny dia ity vovonana ity. Taloha na zaza 7 lahy sy 7 vavy aza velon’ny ray aman-dreny hoy Mishah Rasolofo; ankehitriny anefa, zaza 2 tsy velona na sarotra ny mamelona izany, misy tsy mety mila harenina izany hoy izy, ka mila fampianarana sy fanofanana ny vahoaka, satria misy zavatra tsy voafehy ao, toy ny tsy fahafehezan’ny mpitondra amin’izao ny fitantanam-pirenena. Ny miasa no ampian’ny PFSCCM, fa ny tsy manao zavatra. Natsangana manerana ny Nosy ny vovonana, satria misy tsy maty manota eto amin’ny firenena, misy tsindry hazolena, indrindra amin’ny vehivavy  maro ny tanora tsy an’asa, misy ny olo-mahay nefa mivarilavo amin’ny zava-mahadomelina, hijoro hiady amin’izany rehetra izany ity vovonana ity.

Mitovy zo

Ankoatra izany, misy ny fiheverana diso ho an’ny olona sasany ankehitriny: ny filazana fa mitovy zo ny lahy sy vavy, tsy midika fa afaka manao izay rehetra tiany atao ny vehivavy. Misy fetrany izay fitovian-jo izay. Ao an-tokantrano, mijanona ho loham-pianakaviana foana ny lehilahy, noho izay antony izay, mila fanofanana manokana ny Andriambavilanitra: hampahafantarina azy ny toeran’ny lehilahy sy ny vehivavy eo amin’ny fiaraha-monina; na izany aza, mila mahaleotena avy eo ny vehivavy. Manaraka ny raharaham-pirenena koa ny PFSCCM, mahakasika ny resaka fifidianana: mandeha, tsy mandeha izany hoy Mishah Rasolofo, misy aza ny milaza fa mbola hisy tetezamita, ny datim-pifidianana koa mbola tsy mivoaka, ka sarotra ny hiteny ny momba izay resaka fifidianana izay. Ny fanirian’ny PFSCCM hoy izy: aoka handeha ara-dalàna tsy hisy hosoka izany fifidianana izany ary ny safidim-bahoaka no tena hivoaka. Amin’ny maha-hery afovoany ny PFSCCM, hiteny ny mety sy ny tsy mety izy ireo, satria mety samy tsy hanaiky ny kandidà sy ny mpanao politika ao aoarin’io fifidianana io, noho izany amafisiko ihany, aoka ho tena ny safidin’ny vahoaka no hipoitra.