Hery Rasoamanana – Mitombo isan’andro toy ny fakon’Iariavo ny fahantrana eto amintsika

Helisoa

Mandalo eto an-tanindrazana amin’izao fotoana, Andriamatoa Hery Rasoamanana, Malagasy monina any ampitandranomasina. Tsy mandry ny sainy manoloana ny lavaka mangitsokitsoka misy ny firenena Malagasy ankehitriny hoy izy, ka mitafa aminareo gazety Ny Valosoa mikasika ny raharaham-pirenena eto amintsika. Mandalo matetika eto an-tanindrazana aho hoy Hery Rasoamanana ary ao anatin’izany aho dia manaraka ny raharaha misy eto amin’ny firenena hatrany, na eto Madagasikara na any Belgique izay toerana ipetrahako. Mihazakazaka ny raharampirenena eto Madagasikara, saingy mampametram-panontaniana hoe mihazakazaka mankany amin’ny ratsy sa any amin’ny tsara, ka ny hatahorako dia mety handeha any amin’ny hantsana tsy ampoizina izany, noho ny tsy fahaiza-mitantan’ny fitondrana Rajoelina.

Ny zavatra mahavariana ankehitriny dia hoe efa akaiky ny fifidianana, nefa ny mahavariana dia mbola tsy misy lalampanjakana mamoaka ny daty marina hiatrehana izany. Ny zavatra manahirana ahy ary mahasadaikatra hoy Hery Rasoamanana dia ny fitotongan’ny fiainan’ny vahoaka manontolo. Menatra ny tena satria any amin’ny tany iasako dia miteny daholo hoe ahoana Hery Rasomanana, fa tany manankarena sy tsy misy ady Madagasikara nefa miha-mahantra ianareo any Madagasikara. Menatra ny tena mamaly hoy izy, satria mba olona manampahaizana amin’ny fahasalamana ihany ary mahafantatra tsara ny fahoriana mihàtra amin’ny fahasalamam-bahoaka raha tsy hiteny afatsy izay fotsiny.

Ny mahavariana dia tsy mihetsika ny fanjakana amin’ny fanalana ny fahantrana. Isaky ny 3 volana aho no tonga eto Madagasikara, nefa tsy misy zavatra miova mba mankany amin’ny tsara mihintsy. Ny jiro adiny 3 no mandeha nefa miakatra ny vidiny, miakatra ny vidim-piainana, sns… Atao ny fanamby fa eee! Tsy misy zavatra miova. Atao ahoana no hiasa amin’izany? Ny tiako ho lazaina, mitombo isan’andro tahaka ny zaoridiran’Antananarivo Renivohitra ny fahantrana misy eto amin’ny Nosy ankehitriny. Etsy ankilany anefa toa miakatra ohatra ny zaoridiran’Antananarivo koa ny haren’ny mpitondra, sy ireo olona efa manan-karena, fa ny tena hita dia mitombo ny fahantrana sy ny tahotra eo amin’ny vahoaka Malagasy maro an’isa.

Ankoatra izay voafitaka ny Malagasy, satria vazaha no mitondra ny firenena ankehitriny. Ny olomboafidy toy ny solombavambahoaka no tokony handray andraikitra mikasika izany; koa miandry azy ireo ny vahoaka Malagasy. Raha tena olompirenena marina izy ireo dia tokony hitory ny filoha Andry Rajoelina; ary raha tena tia tanindrazana dia tokony hanadihady any amin’ny HCC satria tsy tokony ho filoha intsony i Andry Rajoelina, satria namitaka ny vahoaka Malagasy. Eto aho dia mametraka ny fitokisana sy ny fanantenana tanteraka amin’ny filoha Marc Ravalomanana, hanarina ny firenana izay latsaka ao an-davaka mangitsokitsoka izao. Velombolo izahay any ampitandranomasina, indrindra ny tenako Hery Rasoamanana, fa hirotsaka ho fidiana ho filohampirenena ny filoha Marc Ravalomanana nandritra ny kongresy nasionalin’ny antoko TIM ny sabotsy 1 jolay 2023. Ao aorinany tanteraka izahay hoy Hery Rasoamanana ary matoky fa hiarina i Madagasikara Nosy mamintsika.