MAP Plus. Filoha Ravalomanana – Mihitsoka ny firenena, asa maika voalohany ny resaka sakafo

Isambilo

Tao aorian’ny kongresy nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) ny 1 jolay lasa teo, miroso mitety faritra mampahafantatra ny MAP Plus amin’izao fotoana ny filoha Marc Ravalomanana. Tany Marovoay faritra Boeny izy ny faran’ny herinandro teo. Mihitsoka tanteraka ny firenena ankehitriny, hitondrana vahaolana voalohany sy maika ny resaka sakafo hoy izy :

“faly tena faly aho mihaona mivantana aminareo eto Marovoay androany manazava voalohany ny MAP PLUS. Marovoay dia anisan’ny sompitr’i Madagasikara. Asa maika voalohany ao amin’ny MAP PLUS ny hitondrana vahaolana ho an’ny sakafo. Raha vary no resaka dia eo: ny Omby, ny Rano, ny Masomboly, ny tanimbary, ary ny tantsaha. Kanefa raha tsy omena sehatra ny tantsaha, tsy omena fampiofanana sy fitaovana enti-mamokatra mifanaraka amin’ny vanimpotoana sy vaninandro dia zava-poana dia zava-poana ny ezaka ataon’izy ireo. Noho izany ny MAP Plus dia manome lanja manokana ny famokarana sy ny fambolena ary ny sakafo ho an’ny Malagasy rehetra tsy ankanavaka. “

Nifanakalo hevitra tamina mpandraharaha mpamokatra sy mpanodina ny vary ihany koa ny filoha Ravalomanana tany Marovoay izao.